Fanadinana Bepc – Nilamina amin’ny ankapobeny
Amin’ny ankapobeny dia nizotra amin’ny tokony ho izy ny andro voalohany tamin’ny fanadinana Bepc na dia teo aza ny faharatsian’ny andro. Tamin’ny 7ora sy sasany ny fiantsoana ny anaran’ireo mpiadina ary natomboka tamin’ny taranja Malagasy izany. Ho an’ny ivo toeram-panadinana « Lycée moderne Ampefiloha » na LMA manokana dia nilamina tsara na dia teo aza ny fahataran’ny fidirana ny maraina tamin’ny fandaminana madinidinika noho ny fisian’ny ankizy izay very ny « convocation ». Miisa 4 450 ny isan’ny mpiadina tao amin’ny LMA. Misy tombony 283 izany raha oharina tamin’ny 2014 ary mahatratra any amin’ny 6,79 % ny taha-pitomboany. Mahatratra 187 kosa ireo mpiadina tsy tonga ny maraina niatrika ny fanadinana tao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha.
Ho an’ny ivo toeram-panadinana Ceg Antanimena kosa dia 1 425 ny isan’ireo mpiadina ary 20 no tsy tonga niatrika ny fanadinana. Ankizivavy kely 11 taona kosa ny kely indrindra amin’ireo mpiadina eto an-drenivohitra izay eny amin’ny Ceg Anosibe ny toeram-panadinany ary eny amin’ny Ceg Nanisana ny lehibe indrindra fa tsy fantatra kosa ny taonany.
Laurena Nany