Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Tsy fandriampahalemana – Mirongotra indray ny hala-jaza

Tsy honohono na resabe ny fisiana hala-jaza fa tena misy ka tokony hitandrina ny tsirairay. Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa saika manerana ny faritra rehetra izany. Mila mailo noho izany ireo ray aman-dreny fa miverina indray ny fangalaran-jaza. Tovolahy iray izao no niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny distrikan’i Sambava ny faran’ny herinandro teo noho ny fahatratraran’ny vahoaka azy niaraka tamin’ny zazalahikely 4 taona.

Araka ny vaovao voaray dia efa herinandro mahery ity zaza ity no tsy hita teo an-tanàna ary tsy fantatra izay nalehany. Akory ny hatairan’ny olona mahafantatra ilay zaza raha nahita azy niaraka tamin’io tovolahy io. Niantso vonjeo avy hatrany ilay ramatoa sady niteny hoe mpangala-jaza. Nandositra ohatry ny tsy teo ilay tovolahy vao naheno an’izany fa ilay zaza kosa navelany teo. Nifanenjahan’ny fokonolona izy io ary tsy lasa lavitra dia tratra. Nitambaran’ireo vahoaka ity farany ary soa ihany fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nanala azy teo amin’ireo mponina tezitra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre