Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Betafo – Andiana dahalo nandroba omby roa

Mitohy ny asa ratsin’ireo dahalo ao amin’ny distrikan’i Betafo. Omby miisa roa indray no lasan’ny andiana dahalo izay tsy fantatra ny isany nirongo basy vita gasy tao amin’ny tanàna antsoina hoe Soavina, fokontany Ambohidrano, distrikan’i Betafo ny faran’ny herinandro teo. Nanapoaka basy imbetsaka ireo olon-dratsy mba ampitahorana ireo lasibatra. Etsy ankilany koa dia tsy nisy sahy nihetsika ireo fokonolona fa samy nipirana tao an-tranony avy. Nandritra izany fanafihana izany dia lasan’ny dahalo ny ombin’ny mpamboly iray. Nampandre ny zandarmaria ireo fokonolona ary nisy fanarahan-dia. Fotoana fohy dia nifanehitra ny roa tonta ka nisy ny fifampitifirana. Dahalo iray naratra mafy nandritra ny fifanjevona fa mbola afaka nandositra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra tamin’ireo mpanara-dia. Tafaverina daholo ireo omby roa ary nomena ny tompony.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre