Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Demokrasian’ny savorovoro

Fifidianana demokratika no nandrasana nefa savorovoro no vokatra nivoaka voalohany. Efa tsy voaisa intsony ny fampatsiahivana ny fitondram-panjakana sy ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana fa maro ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana. Di-doha sy fanazavana ara-teknika ary teny tsy valiana hatrany anefa no sentrin’izany. Nambara fa tsy misy mihitsy irika ahafahana mangala-bato satria tomombana sy manara-penitra ny fikarakarana rehetra. Toa kobaka am-bava entina andaminana ny resaka fotsiny anefa no betsaka satria tsy araka ny nampanantenaina ny zava-nisy. Niovaova hatrany rahateo ny lalàna sy fepetra mikasika ny fizotry ny fifidianana ka tsy hay intsony izay tena marina.

Tsy tomombana antsakany sy andavany araka ny nampanantenaina ny lisi-pifidianana satria ireo tokony hifidy tsy tafiditra tao ary ireo tsy mponina ao amin’ny fokontany indray no lasa maro an’isa. Raha ny fijery azy dia zavatra niniana natao ireny rehetra ireny satria tsy tranga iray fa saika manerana ny Nosy mihitsy no nisehoan’izany. Tsy mahagaga raha miteraka disadisa sy tsy fankatoavana ny voka-pifidianana izany rehetra izany. Ilay toe-tsain’ny mpanao politika malagasy izay tsy manaiky resy rahateo efa iaraha-mahalala hatramin’izay koa zaran’ireo tsy nahomby aza misy ny tsy fahatomombanana mba ahafahana milaza fa izay no naharesy azy ireo.

Hitsikitsika anefa tsy mandihy foana fa ao raha. Tsy tomombana araka ny efa naverimberina ny fifidianana nefa tsy mety manaiky izany ny Ceni-T sy ny fitondram-panjakana ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny vahoaka malagasy izay tompon’ny fahefana sy ny fanapahan-kevitra, ary niaina mivantana ny fifidianana ary tompon’ny safidy dia samy nahita fa tsy nandeha tamin’izay laoniny ny fizotry ny fifidianana. Ny fanizingizinan’ireo tompon’andraikitra fa nety sy nahafa-po iny fifidianana iny dia toa mampandainga ny vahaoka ary azo ambara ho didy jadona ihany satria tsy misy mihitsy fihainoana ny fitarainan’ny maro an’isa.

Lasa miteraka disadisa izany rehetra izany satria mitohy amin’ny fifanaratsiana sy ny fifanenjehana eo amin’ireo antoko politika nanana ny kandida resy sy naharesy ny fifidianana. Efa samy nanambara ny tsy fankatoavany ny valim-pifidianana hivoaka eo avokoa ny ankamaroan’ireo kandida resy. Izany hoe tena ahiana ny hisian’ny korontana eto amintsika. Tsy tombatombana fotsiny izany rehetra izany fa tena zava-misy satria hatramin’ny omaly dia efa raikitra sahady ny fihetsiketsehana any Fianarantsoa sy any Ilakaka. Efa nanambana ny hanao izany koa ny amin’ny kaominina hafa toa an’Ambohimangakely, Tsiroanomandidy, Toliara… Ireo aloha no tena nalaza fa efa maro ihany koa ireo nilaza fa tsy hanaiky.

Dia hitohy amin’ny korontana hatrany ny raharaham-pirenena noho ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana. Raha izao no mitohy dia hitovy amin’ireo firenena afrikanina maro i Madagasikara ka ny fifidianana demokratika nantenaina hitondra vahaolana hanarenana ny firenena indray no lasa fototra iorenan’ny korontana sy ny fampisaraham-bazana. Raha mba nihaino ny tolo-kevitra sy ny fitarainana avy amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika anefa ireo sehatra rehetra voakasiky ny fikarakarana ny fifidianana dia azo nosorohina mialoha avokoa ireo disadisa rehetra ireo.

Izao ny firenena efa latsaka an-katerena, vao maika hiditra amin’ny kizo vaovao indray satria tsy hisy hanaiky lembenana mihitsy raha ny fihetsiketsehana sy fanambarana ataon’ireo kandida resy rehetra no zohina. Ny fahambanian’ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy rahateo dia manamarika fa tsy naharototra ny vahoaka ny fanatanterahana iny fifidianana iny. Efa maro rahateo ny nangataka ny fanemorana azy nefa tsy nisy nihaino araka any fomba fitenin’ny tanora fa dia naroso ihany.

Ho sahirana ny fanjakana sy ny Ceni-T ary ireo fitsarana nomena fahefana handray ny fitarainana sy hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy satria miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre