Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ambohimanambola – Zaza menavava maty nisy nanary anaty rano maloto

Hagagana tsy nisy ohatra izany ny an’ireo mpandalo tao amin’ny fokontany iray ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny andron’ny alatsinainy teo raha nahita ny fatin’ny zaza menavava sahabo telo volana any ho any mifono lamba tao anaty fanariana rano maloto sy fako. Nitsingevana tao anatin’io rano maloto io no hitan’ny olona iray izay handeha hanary izany.

Tombanan’ny maro fa ny reniny mihitsy no nanary io zaza io, fa tsy hoe nisy namono akory. Mbola tsy fantatra kosa hatreto ilay reny nahavanon-doza na ny antony nahatonga azy hanary ny menaky ny ainy. Tsy nisy sahy nikitika ilay fatin-jazakely fa tora-kovitra avokoa ireo izay nahita izany. Tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana dia mbola tsy nisy naka ny fatin’ilay zazakely na dia efa nampandre ny tompon’andraikitra mahakasika izany aza ny fokonolona.  Mampametra-panontaniana ny maro ihany io tsy fandraisana andraikitra nataon’ny sampan-draharahan’ny mpamonjy voina sy ny sampana Bmh io.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre