Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Ankizilahy nianjeran’ny biriky « parpin »

Noho ny fanamboarana trano tsy manaraka ny fenitra tao amin’ny fokontany Mangarivotra ao Mahajanga dia ankizilahy 10 taona no naratra mafy nianjeran’ny parpin, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Sombina « parpin » avy teny amin’ny fara-tampon’ny trano iray mbola an-dalam-panamboarana no nianjera tamin’io ankizilahy io. Ity farany izay nilalao bisikileta teo amin’ny manodidina io toerana io no niantefan’ireo biriky miampy simenitra efa maina avy nandalorana. Maherin’ny 30 eo no eo ireo biriky parpin ireo araka ny filazan’ny loharanom-baovao. Vokany, naratra ny tanan’ilay ankizilahy ary nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Androva mba hahazo fitsaboana. Tamin’ny fitarafana natao ny tanan’ilay ankizilahy kely dia hita fa tena voa mafy tokoa izy. Manoloana io voina nahazo ny zanany io dia nametraka fitoriana teny amin’ny polisim-pirenena any an-toerana ny ray aman-drenin’ilay zaza ary tsy manaiky mihitsy raha tsy ampiharana amin’ireo tompon’io trano amboarina io ny lalàna. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy dia fantatra anefa fa tsy manaraka ny fenitra ny fanamboarana io trano io.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre