Izay tsy faly mitory !
Tsotra sy fohy nefa karazan’ny fandrabiana ihany ny valin-teny azon’ireo rehetra tsy afa-po tamin’ny fizotry ny fifidianana farany teo. Manan-jo hametraka fitarainana izy ireo. Fitarainana hanao inona anefa satria iaraha-mahalala fa hatramin’izay dia tsy nitondra fanofoanana teo amin’ny voka-pifidianana ireny fitarainana ireny. Nisy ihany teto Madagasikara ny ampaham-bokatra nofoanana saingy tsy nampiova na inona na inona ireny. Tanteraka ara-bakiteny ny vazivazy zary tenany fanao andavanandro hoe « izay tsy faly mitory ». Karazan’ny teny an’avona ihany izy io satria fantatra mialoha fa tsy hisy vokany akory. Izany hoe ilay demokrasia nandrandraina tamin’ny alalan’ny fifidianana dia zary lasa resaka ambony latabatra fotsiny sisa satria sarotra ny tena ametrahana marina ny olona voafidim-bahoaka eo amin’ny fitantanana andraikitra amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra eto amin’ny firenena.
Tena mbola voaporofo tamin’iny fifidianana farany teo iny fa tany afrikanina i Madagasikara ary mbola mila ampolo taonany maro vao tena afaka ny ampanjakana ny demokrasia amin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy mahafa-po ny fikarakarana ary tsy mahafa-po ny vokatra.
Manoloana izany rehetra izany dia manana andraikitra goavana ny fitondram-panajakana hitady vahaolana haingana entina andravonana ny disadisasa rehetra misy amin’izao fotoana izao. Tsy azo adinoina mantsy fa mbola tsy najanona tanteraka akory ny firosoana amin’ilay satan’andraikitra nasain’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana nataon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ireo solombavambahoaka. Ireto farany izay mitana hatrany ny fanajàna ny Lalam-panorenana izay mamaritra fa ny vondrona parlemantera manana ny maro an’isa no manolotra ny anaran’ny praiminisitra ary ny filohan’ny Repoblika kosa no manendry io olona io avy eo. Mialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaomininaly dia efa nivoaka ny isa fa mahatratra 95 ireo solombavambahoaka mivondrona ao amin’ny parlemantera maro an’isa ary miisa 30 kosa ireo manohana ny filohan’ny Repoblika. Karazan’ny fiatoana kely nefa ihany koa tsipi-panohizana ny fanatanterahana ity satan’andraikitra ity iny fifidianana iny ary inoana fa hiverina hiresaka io indray ireo mpanao politika ato ho ato.
Manoloana izany rehetra izany anefa dia ahiana ny hisian’ny fiovan-kevitra eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka taorian’ny fifidianana. Iaraha-mahita rahateo fa mizotra tsikelikely any amin’ny fahazoana ny maro an’isa amin’ireo ben’ny tanàna ny antokom-panjakana sy ireo mpiara-dia aminy ka mety tsy hivaky loha amin’izay fifanarahana amin’ireo solombavambahoaka intsony izy ireo. Mety tamin’ny fitondram-panjakana iny fifidianana iny satria nahazoany mpifidy vaventy afaka hametraka ny maro an’isa amin’ny olon’ny HVM eo anivon’ny Antenimieran-doholona. Izany hoe afaka manangana ny Antenimieran-doholona tsy amin’ahiahy ny fitondrana satria azo antoka fa ho azony ny maro an’isa. Aorian’izay dia azony atao tsara ny mandrava ny Antenimieram-pirenena izay efa nanelingelina azy hatramin’izay. Tsy ho olana amin’ny fitondram-panjakana mihitsy avy eo ny hikarakara fifidianana solombavambahoaka vaovao satria efa hitany ny fomba rehetra ahafahana mandresy sy mahazo ny maro an’isa amin’ny fifidianana.
Mitohy mametraka sy manamafy ny fepetra sy fomba fanaony amin’ny fitantanana ny firenena ny mpitondra ankehitriny ary tsy misy na iza na iza mahasakana azy ireo amin’izany. Mandeha ny hetsi-bahoaka sy ny fitokonana etsy sy eroa fa andefasana hery famoretana dia rava maina. Manangona antontan-taratasy mazava hitoriana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny solombavambahoaka fa resy hatrany. Karakaraina ny fifidianana demokratika ametrahana ny mpitondra eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana fa niaraha-nahita ny tsy fahatomombanana ary vao maika nanome vahana ny antokon’ny fitondrana izany.
Izay tsy faly amin’izany rehetra izany dia mahazo mitory satria tany tan-dalàna i Madagasikara, araka ny ambetintenin’ny olon’ny fitondram-panjakana. Toa very maina anefa matetika ireny fitoriana ireny satria tsy msiy mahazo rariny izay rehetra miana-kendry mitory ny Fanjakana!
Ravalo tsy Manana