Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Ampasampito – Météo Manjaka ny sinto mahery

Mangataka ny hanamafisan’ny fitandrona ny filaminana sy ny fanaraha-maso ny manodidina ny Météo-Ampasampito ireo mponina eny an-toerana manoloana ny tsy fandriampahalemana izay manjaka andro aman’alina amin’iny toerana iny. Tsy mifidy fotoana amelezana intsony ireo mpanao sinto mahery. Omaly tokony tamin’ny 10 ora sy sasany dia tovovavy iray 16 taona no lasibatr’ireo olon-dratsy ka ny finday avo lenta teny an-tanany no voaroba nanoloana ny tranom-piantohana Mama. Nikikiaka niantso vonjy ilay tovovavy ka nanenjika ilay olon-dratsy avy hatrany ireo mpitandro filaminana nandamina ny fifamoivoizana. Noho ny findrafindran-tanana nataony tamin’ireo namany anefa dia tafaporitsaka ilay nangalatra ary tsy nisy azo natao mihitsy. Araka ny filazan’ireo mponina eny an-toerana dia mamely mafy tokoa ireo olon-dratsy rehefa harivariva manomboka amin’ny 7 ora iny indrindra fa eny amin’ny tambohon’ny sekoly IST hivoaka ny siniben-dranon’ny teknika. Manao andiany izy ireto ary ny iray mody mijanona eo am-pototry ny tohatra ambany, ireo namany kosa ery an-tampon’ny tohatra ary mifanome baiko fotsiny rehefa mahita olona dia mamoaka antsy lavalela ary manafika avy hatrany. Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre