Viva Toamasina – Niverina ny fandaharana « Aoka hazava »
Miverina mandeha eto an-drenivohitr’i Toamasina nanomboka ny alatsinainy 3 aogositra lasa teo indray ny fandaharana « Aoka hazava », natao hamakafakana ny raharaha politika, izay vokarin’ny Viva Antananarivo. Noho ny antony maro samihafa dia nihato ny fampitana izany mivantana teto Toamasina, taona vitsivitsy lasa izay, ka izao miverina izao indray amin’ny alalan’ny radio mitondra ny mari-drefy 98,8 Mhz no andrenesan’ny mpihaino sy ny mpankafy ity fandaharana « Aoka hazava » ity. Hafaliana ny an’ireo mpankafy ny haino aman-jery Viva Toamasina, tamin’izao fahenoana ity fandaharana ahalalàna sy hahafantarana ny toe-draharaha mahakasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ity. Isaky ny amin’ny 1ora antoandro no ahenoana izany fandaharana izany izay maharitra adiny iray sy sasany.Mahavelom-bolo ny rehetra ny fahalalàna izao vaovao izao fa tsy ho tompon-trano mihono intsony ny vahoakan’i Toamasina manoloana ity fandaharana famakafakana ranoray ny toe-draharaha politika miseho eto amin’ny tany sy ny firenena ity.
Zouzouh