Ambatondrazaka – Trano telo voatafika, lasa ny 10 tapitrisa ariary mahery
Mahazo vahana ny asan-jiolahy ao Ambatondrazaka. Trano telo tsy mifanalavitra no nasesin’ny jiolahy notafiana ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo, tamin’ny 1 ora tany ho any tao Tanambao. Nanao andiany izy ireo niaraka tamin’ny basim-borona sy zava-maranitra. Nanapoaka basy imbetsaka ireo olon-dratsy mba ampitahorana ny manodidina tsy hanohitra azy ireo. Tamin’ny trano voalohany dia novakian’izy ireo ny varavarana ary nanao tifitra variraraka vantany vao tafiditra tao. Olona iray naratra mafy ary lasa ny vola rehetra tao amin’ilay trano fa mbola tsy fantatra ny isany. Tamin’ny trano faharoa indray dia mpandraharaha no nidiran’izy ireo an-keriny ka lasa ny volamena 10 grama sy vola 9 tapitrisa ariary fa tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra tao. Nitohy tamin’ny trano iray hafa indray izany fanafihana izany. Mitovy hatrany ny fomba fiadin’ireo mpangalatra. Fa tamin’ity farany dia tsy nandrahona ireo lasibatra hamoaka ny fanany intsony izy ireo fa efa vonona izany ka nanjifa ny vola 1.2 tapitrisa ariary. Vetivety ny nanaovan’izy ireo ny fanafihana araka ny vaovao voaray. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
Laurena Nany

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny