Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Fisehosehoana no betsaka

Manomboka miverina amin’ny fisehosehoana ivelany indray ny raharaham-pirenena taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly izay niteraka savorovoro noho ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fikarakarana sy ny ahiahy mikasika ny mety hisian’ny hala-bato. Tamin’ny faramparan’ny herinandro iny izao ny filoham-pirenena dia tsy nipetra-potsiny fa niezaka nivoaka ny lapa ary namonjy ireo toerana maro olona nefa tsy atahorana hisy hanakorontana. Anisan’ireny ny zaikabe ny Fifohazana amin’ny Fiangonana loterana malagasy ny sabotsy lasa teo tany Betela Morondava. Mpino mahatratra 30.000 any ho any no voaisa ho nanatrika io fihaonam-be ara-pinoana io ka azo ambara fa hetsika iray nahafahan’ny filoham-pirenena nitady hirika hamitram-pihavanana amin’ity antokom-pinoana iray anisan’ny matanjaka indrindra eto Madagasikara ity. Toa mampatsiahy ny tetikadin-dRavalomanana izay mametraka betsaka ny fanantenany amin’ny fananan’ny mpino FJKM sy Andry Rajoelina miantehitra amin’ny mpino katolika ity nataon’ny filoha Rajaonarimampianina ity. Manana ny heriny manokana eo amin’ny fanohanana ara-politika rahateo ny fahazoana ny fankatoavan’ireo mpino izay matetika dia manaraka fotsiny ihany ny toromarika omen’ny mpitantana ao aminy. Ny tsy fantatra fotsiny hatreto dia ny hoe : tena nankasitrahan’ny mpino loterana tokoa ve ny fanatrehan’ny filoham-pirenena ny zaikabe nataon’izy ireo. Kristianina no resahina eto ary tsy anilikilika ireo rehetra tonga hiara-hiombom-bavaka mihitsy. Na izany aza dia tsy azon’ny fitondram-panjakana antoka fa hivily lalana hanohana azy any amin’ny politika ireo mpino ireo.

Anisan’ny hetsika iray nararaotin’ny filoham-pirenena hisehoana vahoaka ihany koa ny andro farany tamin’ny fampisehoana ireo vokatra mikasika ny toe-karena eny ambanivohitra “Fier Mada” izay natao teo Mahamasina. Ny alahady fifaranan’ny hetsika ny filoha vao nidina teny an-toerana na dia efa nandrasana hatramin’ny alarobia aza. Tsy dia be resaka tamin’ny mpanao gazety izay fa toy ny hoe niezaka nampiseho fotsiny fa mbola eo amin’ny fitondrana ary manaraka akaiky ny raharaham-pirenena. Anisan’ny tsy nampoizin’ny maro tokoa mantsy ny tsy nanomezan’ny filoham-pirenena voninahitra ny fanokafana ity fihetsika Fier-Mada ity tamin’ny alarobia heriny teo. Nihevitra avy hatrany  ny rehetra fa tsy sahy miseho vahoaka, ary indrindra, tsy te hiresaka amin’ny mpanao gazety ny mpitondra fanjakana. Toa voaporofo izany satria tsy mbola nanana ny heviny mikasika ny savorovoro nateraky ny fifidianana tsy tomombana teo izy ireo. Ny zoma ny praiminisitra vao nidina teny amin’ny Fier-Mada ary namariparitra ny fahitany ny raharaham-pirenena sy ny fomba fiasan’ny fanjakana. Taorian’io, izany hoe ny sabotsy sy alahady, araka ny efa noresahina tery ambony vao nivoaka ny lapa ny filoha.

Tsy ny mpitondra ihany anefa no manararaotra manao hetsika hisehoana vahoaka sy hanehoan-kevitra fa ireo mpanao politika ivelan’ny fitondrana ihany koa. Tena tondraky ny mpanao politika amin’izao fotoana izao ireo haino aman-jery rehetra tsy ankanavaka. Ireo tsy nahomby tamin’ny fifidianana no tena manao ity hetsika manokana ity ary tanjon’izy ireo ny hanafoanana ny voka-pifidianana tany amin’ny birao fandatsaham-bato na ihany koa kaominina naharesy azy ireo. Tafiditra ao avokoa na ny antokom-panjakana, na ny tsy miankina, na ny avy amin’ny mpanohitra. Samy tsy manaiky ho resy hatramin’ny farany ary vonona ny hiaro izay lazainy fa marina sady safidim-bahoaka. Dia miseho amin’ny alalan’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety na ihany koa fivahinianana mivantana mba hanehoan-kevitra amin’ny teny tsy valiana eny amin ‘ireo radio sy fahitalavitra tsy miankina ireny.

Hatreto aloha dia fisehosehoana no tena betsaka eto amintsika fa tsy hita izay tena “action” araka ny fomba fitenin’ny tanora azy. Toa manao sarimihetsika ho hitan’ny vahoaka ary mifampihantsy an-kolaka ireo samy mpanao politika fa tsy mahavita mifanandrina mivantana ho hitan’ny malagasy hoe “izahay no henjana”.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre