Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Fanafihana mitam-piadiana – Sarona i Michelin sy Delin

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny zoma 7 aogositra lasa teo i Michelin sy Delin  izay tovolahy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana ary anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana trano fandraisam-bahiny sady toeram-pisakafoanana amin’iny lalam-pirenena faha-5 iny ny alin’ny 15 jolay hifoha 16 jolay lasa iny. Fito lahy izy no nanantanteraka ny asa ratsy tamin’izany fotoana izany ary maty notsatohan’izy ireo antsy ny mpiambina ilay toerana ny alin’io.

Nitondra fiara ireo jiolahy nandritra ny fanafihana ka lasa daholo ny entana rehetra lafo vidy tao. Tsy niandry ela anefa fa vantany vao nivoaka ilay toerana ireo jiolahy dia niantso ny FIP ny mpahandro iray tao amin’io trano fandraisam-bahiny io. Tsy mbola lasa lavitra izy ireto ka vetivety foana dia nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana. Avy hatrany anefa dia nandositra tany anaty kirihitr’ala ireto jiolahy ary navelan-drizareo teo ilay fiara sy ny entana rehetra avy norobainy. Nitohy ny fikarohana ary voasambotra tao Toamasina II izy roa lahy voalaza etsy ambony, izay mbola tsy ampy taona akory ny iray. Mbola karohina ny dimy ambiny.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre