Fiadiana amin’ny asan-dahalo ao Antsalova – Maherin’ny 200 ny polisim-bohitra napetraka
“ Tsy maharaka ny isan’ny mponina sy ny velaran-tany ao Antsalova ny polisy sy ny zandary any an-toerana. Efa manao antso avo hatrany izahay manoalana fa tsy nisy mamaly, ny tena loza aza dia vao maika mihena ny isa satria hafindra toerana ny mpitandro filaminana am-perin’asa ary tsy misy misolo izany. Lahara-pahamehana aminay ny fandriampahalemana ka nametrahana ny polisim-bohitra hanampy ny zandary any ambanivohitra. Mangataka izahay ny ampiofanana an’ireo zandary izay manao “béret jaune” ho afaka hampiasa basy satria mampiasa izany ny dahalo”, hoy ny solombavambahoaka ao Antsalova izay filoha lefitry ny vaomieran’ny fandriampahalemana ao amin’ny Antenimieram-pirenena Ramarolahy Maurice. Araka ny fantatra dia nahatratra am-polony maro ny olona maty voatifitr’ireo dahalo ka ny iray tamin’ireo dia zandary. Efa an’arivony ihany koa ny omby very ary tsy mbola nisy tafaverina noho ny afitsok’ireo tsy mataho-tody. Manoloana io asan-dahalo io dia nisy ny fandraisana andraikitry ny solombavambahoaka amin’ny fametrahana polisim-bohitra miisa 260 any amin’ireo kaominina mafana ao amin’ny distrikan’i Antsalova. Ireto farany izay mahafantatra tsara ny kizo sy fieren’ireo dahalo satria dahalo niova fo sy miaramila nitsoaka an-daharana ny ankamaroan’izy ireo. Mangataka noho izany io solombavambahoaka io ny mba hanomezana basim-borona izay fantatra fa nampidirina an-tsokosoko teto amin’ny nosy ireny mba ampiasain’ireo “béret jaune” na ireny fitaovam-piadiana izay azo teny amin’ireo dahalo ary mitoby ao amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana.
Laurena Nany