Valim-panadinana Bepc an-drenivohitra – Vinavinaina hivoaka amin’ny sabotsy izao
Raha toa ka efa nivoaka nanomboka ny alahady teo ny valim-panadinana Bepc ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana sasantsasany, toy ny an’i Faratsiho, Beroroha, Soavinandriana ary Mandoto dia ho vinavinaina amin’ny sabotsy izao kosa ny hivoahan’ny valim-panadinana Bepc eto an-drenivohitra. Araka ny fantatra dia tapitra androany ny fitsarana fanadinana eto Antananarivo ary rahampitso kosa ny famindrana ireo naotin’ny mpianatra ao anaty solosaina. Amin’ny zoma 14 aogositra izao ny hamaritana ny naoty farany ambany (délibération) mba ahafahan’ny mpianatra fanadinana.
Ho an’Ihosy manokana kosa dia tsy mbola ho fantatra hatreto ny fotoana mety hivoahan’ny vokatra ofisialy any an-toerana noho ny fitokonanan’ireo mpitsara fanadinana. Mitaky ny ampitomboana ny tabin-karamany mantsy izy ireo amin’ny fahitan’ireo mpampianatra fa ambany dia ambany izany tambin-karama izany. 200 ariary isaky ny taratasim-panadinana ny mitsara ny fanadinana Bepc ka mitaky ny ampiakarana izany ireo mpampianatra mpitsara fa raha tsy izany dia hitsara izy ireo.
L.N

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny