Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Vono olona – Nalevina an-tsokosoko ny fatin’ilay tovolahy

Nahatonga saina ny maro ny tsy fahitana ny tovolahy vao 18 taona monja tsy nivezivezy tao Tanambaovao, fokontany Tananambo, kaominina Fanandrana ao anatin’ny distrikan’i Toamasina rehefa andro maromaro. Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana dia fantatra fa maty nisy namono io tovolahy io ary tratra nanaraka izay ihany koa ireo tompon’antoka tamin’izany. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia nilaza ny marina rehetra sy ny toerana nandevenana an’io tovolahy io. Tamin’ny fanazavana nentin’ireo nahavanon-doza dia maty nofirain’izy ireo ny antsy ny alin’ny talata 4 aogositra, tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any ilay tovolahy noho ny kakay nisy tamin’izy ireo. Rehefa maty dia nalevin-dry zalahy ny alin’io ihany tamin’ny toerana voalaza etsy ambony. Nidina teny amin’ilay toerana nandevenana an’ilay tovolahy ny mpitandro filaminana niaraka tamina dokotera ary  nofongarina tao ilay razana. Tamin’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo dia voamarina fa nofiraina ny antsy tokoa io tovolahy io ka izay no nahafaty azy. Natolotra ny fianakaviany ny zoma 7 aogositra lasa teo ny razana ary efa nalevina ao am-pasan-drazana.

 

L.N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre