Seranan-tsambon’i Toamasina – Faty hita nitsingevana tao anaty ranomasina
Ny marainan’ny alatsinainy 10 aogositra lasa teo, dia hatairana ny an’ireo mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina, raha nahita razana nitsingevana teny amin’ny sisiny andrefan’amoron-dranomasina, toerana izay nahitana io razana io voalohany, ka nentin’ny onjan-drano nikisaka teny amin’ny sisiny atsinanana, amin’ny “Mole B” indray, izay misy ny fiantsonana sambo. Sahabo ho 30 taona ity tovolahy maty ity. Araka ny voalazan’ny dokotera avy amin’ny BMH nanao ny fitiliana dia “vono olona no nahazo ity tovolahy ity, manamarina izany hoy izy ny dian’antsy teny amin’ny faritra misy ny masony”. Raha ny fanazavana hatrany dia tombanana ho tamin’iny faran’ny herinandro lasa iny, no nitrangan’ny famonoana, ka izao izy natsingevan’ny rano izao ny razana. Tsy nahitana ratra hafa teny amin’ny vatana afa-tsy ity hita teny amin’ny masony ity, tsy nisy folaka ihany koa ny vatana. Razana mbola tsy naratra araka izany no hitan’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Marihina moa fa tsy nisy nahafantatra ity razana ity, ka nentina avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny hopitalibe.
Zouzouh Toamasina

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny