Vahoaka tsy misy mpiahy !
Tena efa sangy mihoatra ny loha ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy ity resaka delestazy ity. Vao mifoha maraina dia efa fahatapahan-jiro no miandry ny ankamaroan’ny mpanjifan’ny Jirama. Ny takariva izay fotoana kely mba ihaonan’ny mpianakavy sy hanarahana ny zava-nitranga teto amin’ny firenena dia tapaka ihany koa ny jiro. Amin’ny atoandro fotoana hiasana moa dia tsy resahina intsony ny fahoriana. Raha atao bango tokana dia toy ny tany tsy misy Fanjakana intsony eto amintsika fa fanjakan’ny baroa no misy. Samy manao izay saim-pantany ireo rehetra manana fahefana kely ary tsy mitsinjo mihitsy izay maharary ny vahoaka. Tsy tahotra tsy henatra ny mpiasan’ny Jirama milaza fa tsy avy amin’izy ireo ny fahatapahan-jiro. Mbola nampiaka-peo ihany koa ny tompon’andraikitra iray amin’ny orinasa tsy miankina voalaza fa mpamatsy jiro ny Jirama fa tsy maintsy tapahiny ny herinaratra satria tsy mahaloa vola ny Fanjakana. Ankilan’izany dia mangina tsy miteny ireo mpitondra tokony hamaha io olana io. Toy ny tsy misy izany delestazy izany fa manohy ny fiarovan-tena amin’ny kabary tsara lahatra ireo olom-panjakana vitsivitsy voatery tsy maintsy mandray fitenenana rehefa manatrika hetsika vory olona maro.
Tsy mbola nisy fitondram-panjakana tsy mijery vahoaka toy ity hoy ny fimenomenon’ny olona eny an-dalana. Misy lafiny marina ihany izany satria na ny jiro ampiasaina aza toa tsy voafehin’ny mpitondra intsony ny fitantanana azy. Ny tetikasan’ireo fitondrana nifandimby hatramin’izay dia nifantoka betsaka tamin’ny fampahazoana jiro ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy ny ampakarana ny tahan’ny vahoaka malagasy mahazo herinaratra.Izany hoe efa nosokajiana ho milamina ny fanjifana herinaratra amin’ny tanan-dehibe rehetra. Ankehitriny anefa dia ny eto an-drenivohitra mihitsy no lasibatry ny olana amin’ny famatsian-jiro. Fitaratra izany fa tsy voafehin’ny mpitondra ny fanomezana herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy. Averimberina hatrany satria zava-nisy ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika fony izay nanao fiainianana teny Mahamasina fa laharam-pahamehana ary tena asa maika ataony ho vain-dohan-draharaha ny famahana ny olan’ny delestazy. Efa ho 20 volana aty aorian’izany fanambarana izany anefa dia vao maika nihamafy ny delestazy manerana ny Nosy.
Miverimberina ny fanontanina eny anivon’ny fiaraha-monina eny hoe: fa inona fotsiny no ataon’ny fitondram-panjakana manoloana izao zava-misy izao? Ny valiny omen’ireo manam-pahefana ambony dia ny hoe: efa miasa be ny mpitondra ary maro ny vokatra azo sady nahafa-po. Asa angamba raha ny mahita ny fijalian’ny malagasy no fahafaham-po ho azy ireo. Tena mijaly ny vahoaka manoloana ity fahatapahan’ny herinaratra ity ary anisan’ny vato misakana iray lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ihany koa izany.
Tsy mahagaga raha tsy mazoto ny ho avy eto Madagasikara ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena satria ankoatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fanjakana tsy mari-toerana fa tandindomin’ny korontana lava izao dia tsy ampy ny angovo entina mba ampiodina orinasa eto. Na ireo orinasa matanjaka efa niorim-paka hatramin’izay ary tsy atahorana ny ho faty intsony aza dia tena mitaraina fa goavana ny fatiantoka aterak’ity delestazy tsy misy fanafany ity.
Mangina ny fitondram-panjakana manoloana izany rehetra izany satria tsy mahita vahaolana. Raha nanana vahaolana haingana sy maharitra mantsy izy ireo dia efa noresahiny ren-tany ren-danitra izany ary nireharehana fatratra fa tena mahavita ny mpitondra. Ekena fa efa nisy ilay fifanarahana tamin’ny orinasa vahiny hamelona sy ampiodina an’i Mandroseza saingy mbola ho ela izany fa ny famahana ny fahatapahan-jiro androany sy rahampitso izao no mahamaika ny vahoaka.
Raha tena fitondram-panjakana mahavita dia tsy maintsy mandray fepetra sy fanapahan-kevitra ao anatin’ny fotoana fohy hitsinjovana ny maro an’isa izay efa tena tofoka tanteraka saingy manindry fo fotsiny satria tsy mitady korontana ary tsy maniry velively ny hiveren’ny krizy eto amin’ny firenena.
Ravalo tsy Manana