Mahajanga – Ankizy roa voan’ny aretina lefakozatra
Mbola maherin’ny 6% ny ankizy tsy vita vaksiny fanefitra amin’ny lefakozatra na poliomyélite ao Mahajanga. Tamin’ny volana jona no nahitana ankizy 20 volana monina eny Tsararano Nosikely voan’ny aretina lefakozatra. Tsy nijanona teo anefa izany fa vao folo andro monja izay dia ankizy iray hafa indray mbola avy eny Tsararano ihany no fantatra fa mitondra ny otrikaretina “poliovirus”. Manoloana io tranga io dia nametraka paik’ady ny avy eo anivon’ny kaominina sy ny sampan-draharahan’ny fahasalamana ary ireo filohan’ny fokontany 26 ao Mahajanga ny alatsinainy teo. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra natao mba hijerena vahaolana hamongorana io aretina io ao Boeny dia nandray fepetra ny Tale kabinetra ny Faritra Boeny ny tsy hamela hiditra an-tsekoly ireo ankizy tsy manana diplaoma vaksiny.
Hisy noho izany ny fanentanana ireo ray aman-dreny isam-pokontany amin’ny maha zava-dehibe ny fanaovana vaksiny sy ny maha ratsy ny aretina lefakozatra izay tena mitondra takaitra mandra-maty ireo zaza voany raha tsy mamoy ny ainy rehefa tonga amin’ny taovam-pisefoana. Hatramin’izao dia ankizy 35 422 amin’ny ankizy 35 664 no vita vaksiny fanefitra ny polio ao Mahajanga saingy ny 99,35% -n’ireo dia vahiny mpandalo.