Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Soanarivo Anjeva – Tafatsangana ny fiangonana Katolika

Soanarivo, tanàna kely iray ao anatin’ny kaominina Anjeva no nahatsangana fiangonana Katolika. Ezaka nataon’ny mpino sy ireo olona maro tonga sy nahazo fahasoavana tamin’ny fanasitranana na fangatahana maro samihafa teny an-toerana. Raha tsiahivina fohifohy moa dia eny amin’ity toerana ity no misy an’ i Marie Joséphine, vehivavy izay nandray fahasoavana manokana  avy tamin’i Masina Maria sy ny reniny Masimbavy Anne. Nisy rano izay nohamasin’izy mianaka ireo eny an-toerana izay entin’i Marie Joséphine mitsabo mandraka androany. Araka ny nambarany dia maro ireo fitakian’i Masina Maria taminy, anisan’izany ny hanamboarana io toerana nisehoany taminy io ho toeram-pivavahana sy fibebahana ary fangatahana izay maha ory indrindra fa ho fanasitranana ireo marary. Efa vita ny fanamboarana ny toerana misy ny rano, sy ny toerana ampandroana ireo olona tonga mitady fitahiana sy fanasitranana eny an-toerana. Toy izany ihany koa ny toerana fibebahana dia ny fanaovana ny lalan’ny hazo fijaliana sy ny sary fanehoana an’i Jesoa Kristy mifantsika eo amin’ny hazo fijaliana, ary indrindra ny lagroty misy an’i Masina Maria sy ny reniny izay nahitana ireo fahasoavana  tovoizina eny an-toerana.

Mbola tafiditra tao anatin’ny asa niandrasana tamin’i Marie Joséphine ny fanangana fiangonana eo amin’io toerana io koa ankehitriny dia tanteraka izany. Vita soamantsara ny fananganana ny fiangonana izay iantsoan’ny tompon’andraikitra sy ny fikambanana “Notre Dame de la Charité” ireo fikambanana maro samihafa eo anivon’ny fiangonana Katolika ny fanatrehana ny fanokanana azy izay atao ny faha 14,15 ary 16 aogositra ho avy izao. Miantso ireo relijiozy ihany koa i Marie Joséphine ny hanotronan’izy ireo izany fanokanana izany. Ity tompon’andraikitra ity moa izay nanamafy hatrany fa tsy mivaona amin’ny maha fiangonana Katolika Romanina azy ny fiangonana naorina, saingy kosa tsy manavaka finoana ny fandraisana sy fitsaboana ataony eny an-toerana.

Njara Fih

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre