Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Toliara – RN9 – Fiara 4×4 latsaka an-davaka, mpandeha 6 miady amin’ny fahafatesana

Mpandeha enina no naratra mafy ary mbola miady amin’ny fahafatsesana amin’izao fotoana izao. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny lalam-pirenena faha-9 iny, 40 km avaratr’i Toliara  hihazo an’Ankililoaka ny faran’ny herinandro teo. Fiara roa, Mutsibishi ny iray, raha kamiao mpitatitra entana nitondra vary sy « balles friperie » kosa ny faharoa. Ireto fiara roa ireto dia samy latsaka tao anaty lavaka be ampovon’arabe tamin’ny andro alina, amin’ny lalana amboarin’ny Sinoa, ary potika tsy nisy noraisina. Tsy kely lalana tokoa  ny ratsy, 30 minitra taorian’ny nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana dia nisy nandroba ireo entana tao anatin’ilay fiara be ka very tamin’izany ny vary fotsy 50 gony sy « balles friperie » maromaro.

 

Mamo ny mpamily, nandeha mafy

Raha ny fanazavan’ny mpamily dia tsy nisy takelaka famantarana ny fivilian-dalana tamin’io toerana nisehoan’ny loza io, ka ny fiara tafalatsaka tao anaty lavaka vao samy taitra ny rehetra. Nanda ny fanosoram-potaka atao amin’ny orinasa China Railway ho tompon’andraikitra nahatonga ny loza, ny talen’ity orinasa sinoa manamboatra ny RN9 ity, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. « Misy « panneaux de signalisation » avokoa isaky ireo toerana an-jatony lavahana hanamboarana tatatra fanarian-drano na « dalot »Misy mangalatra ireo takelaka famantarana nefa soloanay avy hatrany mba ho fiarovana ny ain’ny mpampiasa lalana », hoy James Guo. Sodokan’ny hatsaran’ny lalana ireo mpamily, ao ny mandray alikaola, dia mandeha mafy, nefa ny ankamaroan’ireo fiara mivezivezy efa antitra sy konka tsy ampy fikojakojana.

Eric Toliara

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre