Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Marolambo – Nahantona rehefa avy novonoina ilay tovolahy

Tovolahy iray 32 taona no hita faty nihantona tamin’ny tady ny alakamisy 6 aogositra tao Ambalapaiso, kaominina Anosiarivo, ao anatin’ny distrikan’i Marolambo. Nampandre ny mpitandro filaminana ireo nahita ny loza ary nidina teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny doketera nijery ifotony ny zava-misy.

Tamin’ny fizahana natao dia tsy nananton-tena io tovolahy io fa maty nisy namono ary nahantona tamin’ny tady avy eo.

Novelesina tamin’ny hazo lehibe ity lehilahy ity ary nahazo amin’ny faritra saro-pady ka nahafaty azy. Manamarina izany ireo mangana amin’ny lamosiny sy manerana ny vatany. Rehefa hitan’ireo nahavanon-doza fa tsy miaina intsony ilay lehilahy dia nahanton’izy ireo tamin’ny tady mba heverin’ny olona fa namono tena. Tsy mbola misy olona ahiana kosa hatreto nahavita izao vono olona mahatsiravina izao. Natolotra ny fianakaviany  ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Misokatra ny fanadihadiana.

 

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre