Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Asa fanendahana – Sarona ny tarika bodifotsy

Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisim-pirenena ao Toamasina dia sarona ireo mpanendaka atao hoe tarika bodifotsy. Ireto farany izay tompon’antoka tamin’ny famonoana lehilahy iray 49 taona mpanamboatra fahitalavitra sy kojakoja elektronika ny alin’ny talata 4 aogositra hifoha 5 aogositra lasa teo.

Avy nanamboatra fahitalavitra tao Valpinson ity lehilahy no nifanehitra tamin’ny mpanendaka telo lahy. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia  notsatohan’ireo tsy mataho-tody ny antsy ny tendan’ilay lasibatra ka maty teo no ho eo ary lasan-dry zalahy tamin’izany ny vola 15 000 ariary. Rehefa nandeha ny fikarohana, tsy niherina akory ny andro nisian’ny famonoana dia saron’ny polisim-pirenena ireo tompon’antoka tamin’izany ny 6 aogositra teo ary mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ilay antsy be fampiasa amin’ny asa ratsy ary mbola nisy ra. Ireto farany izay fantatra amin’ny anarana hoe tarika bodifotsy ary manana « secteur » mihitsy amin’ny fanendahana ao amin’ny fokontany Mangarivotra sy Ankirihiry.

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre