Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ambony fa mirefarefa amin’ny tany!

Niitatra ary miha-mahery vaika hatrany ny hetsika ataon’ny eny anivon’ny ambaratonga ambony hatramin’ny nijoroan’ity fitondram-panjakana ankehitriny ity. Niainga tamin’ny fitakiana vatsim-pianaran’ny mpianatra izany ary nitohy amin’ny tolona hanatsaharana ny fahatapahan’ny herinaratra. Avy eo indray dia niampy ny olana amin’ny fizarana trano izay nihafara tamin’ny fitokonan’ny mpampianatra izao. Izany hoe raha atao bango tokana dia tototry ny olana ny sehatry ny fampianarana ambony satria saika ho isam-bolana dia ahenoana fihetsiketsehana sy fitakiana hatrany. Iaraha-mahita anefa fa ankoatra ny maha-manan-tsaina sy manam-bava azy ireo dia manan-tsandry sady mahery fihetsika ihany koa ny mpianatra sy mpampianatra eny amin’ny oniversite. Saika mihafara amin’ny fandoroana sy fanimban-javatra ary fandratrana olona hatrany ny hetsika ataon’ny mpianatra. Ny zava-misy anefa dia tsy hita izay tena vahaolana mazava fa mitony aorian’ny fifandonana amin’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Maro be ny hevitra aroson’ny vahoaka tsotra sy ny mpanara-maso mikasika ny zava-misy eny amin’ny anjerimanontolo saingy ny iraisan’ny rehetra dia karazan’ny efa lany daty ihany ny fomba fampianarana eny. Lany daty ihany koa ny ankamaroan’ireo mpampianatra ka miezaka mafy ny mitaky faramparany ny tombontsoa voafaritry ny lalàna ho azy ireo. Ny fitondram-panjakana anefa toa minia mikipy tsy mijery ny zava-misy fa dia mionona amin’ny famonoana afo fotsiny rehefa mirehitra ny fifandonana. Raha ampitahaina amin’ny saina tsy miangatra dia hita fa manome vahana bebe kokoa ny fanabeazana fototra ny fitondram-panajakana raha oharina amin’ny fampianarana ambony. Tsy mahagaga raha tsy mihoatra ny 1% ny tahan’ny mpianatra malagasy mahazo marim-pahaizana ambony. Ireto farany izay azo lazaina ho tena vitsy anefa dia tsy afaka mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena akory. Voalohany dia tsy misy ny asa ho azy ireo. Faharoa kosa dia tsy mifanaraka amin’ny fahalalana nampianarina teny amin’ny oniversite ny fahaiza-manao takian’ny tontolon’ny asa.

Mila ovaina ny fomba fampianarana eny amin’ireo oniversitem-panjakana satria toa karazan’ny lasa fandanian-taona fotsiny no omena ny mpianatra. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy minisitry ny Fampianarana ambony tena sahy niroso tamin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Efa hatramin’ny taona 2005, izany hoe 10 taona lasa izay no nidradradradrana ny fivadihana any amin’ny rafitra LMD nefa hatreto dia tsy hita izay tena ezaka vita nirosoana tamin’izany. Anjorom-bala hatrany ny fampianarana ambony ary tsy asian’ny fitondrana nifandimby hasiny mihitsy ny fampiharana ireo voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana malagasy.

Tsy mahagaga raha tsy mandroso ity firenena ity satria manome vahana be loatra ireo teknisianina vahiny sy ireo malagasy nianatra tany ivelany ny fitondram-panjakana nifandimby. Adinon’izy ireo fa manana ny mampiavaka azy manokana i Madagasikara ka ireo malagasy manam-pahaizana nianatra teto an-toerana sy  nipetraka teto ihany no tena mahafehy ny asa fampandrosoana. Tsy vitan’ny kajikajy sy raiki-pohy nampianarin’ny vazaha mantsy ny asa fampandrosoana fa mila fikarohana manokana arakaraka ny faritra tsirairay avy. Tsy ho ain’ny vazaha sy ireo gasy nonina tany an-dafy mihitsy ny hadinika izany satria na ny fomba fiainana, sy fomba fisainana ary ny fomba firesaka aza dia samy manana ny mampiavaka azy izay tsy azo atao an-tsirambina ny faritra sy tanàna rehetra eto Madagasikara.

Tsy handroso izany ity firenena ity raha tsy mivaha ny olana eny anivon’ny fampianarana ambony. Raha mbola mikorontana ny eo anivon’ny oniversite ka grevy sy fitakiana lavareny mandavan-taona no iainan’ny mpianatra eny dia tsy hisy fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony. Mila vahan’ny fitondram-panjakana haingana, noho izany raha te hametraka fampandrosoana mari-pototra sy azo antoka i Madagasikara. Tsy misy afa-tsy ny taranaka malagasy izay nonina teto an-toerana sy nianatra teto an-toerana ihany no manana toe-tsaina tena vonona hampandroso ny tanindrazany.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre