Fampitana hafatra amin’ny reny mitondra vohoka – Nomena fiofanana ireo mpiasan’ny haino aman-jery
Na dia teo aza ny fanentanana sy ny fampitana hafatra tamin’ireo haino aman-jery mahakasika ny tanjona tokony ho tratrarina ho an’ireo reny mitondra vohoka dia mahatsapa ny ministeran’ny Fahasalamana sy ny ministeran’ny Serasera fa tsy maharesy lahatra ny mponina izany fa indrindra ireo eny ambanivohitra. Efa nanomboka ny taona 2012 no nametraka tetikasa momba izany ny Passoba Santé ary nahazo izany ny Faritra Boeny sy Betsiboka fa mbola ambany ny tahan’ny reny manatona ny toeram-pitsaboana. Mba hanamafisana io fanentanana sy fampitana hafatra amin’ny alalan’ny haino aman-jery io dia nomena fiofanana ireo mpanao gazety ao amin’ny faritra roa voalaza etsy ambony amin’ny fampiharana ny tanjona miisa 12 tokony ho tratrarina ho an’ireo reny mitondra vohoka sy teraka. Anisan’izany ny tokony hinanana sakafo ara-dalàna sy sahaza. Ny fisafoana ny kibo inefatra, ny ampinonona ny zanany vao teraka hatramin’ny faha-enim-bolana ary ny fanampiana ny sakafony rehefa feno enim-bolana koa. Tsy tokony hadinoina ihany koa ny fanaovana vaksiny ny zaza mba hisorohana amin’ny aretina maro. Alefa mianatra ny ankizy rehefa feno enim-taona mba hanovo fahalalàna. Ny ray aman-dreny no miantoka tanteraka ny famelomana ny zaza sy miaro azy amin’ny herisetra. Amin’ny lafiny fahasalamana indray dia tsara raha sasana foana ny tanana alohan’ny hisakafo sy ny hisotroana rano madio ary ny farany dia tokony hanana lava-piringa isan-tokantrano. Roa andro ny faharetan’ny fiofanana ary raha tanteraka ireo tanjona miisa 12 ireo dia ho tanteraka manaraka izany ilay teny filamatra hoe « samy salama ny reny sy ny zaza ».
L.N