Toamasina – Rongony dimy sakaosy tratra tao ambany fandriana
Ny loharanom-baovao azo avy tamin’ny olona tsara sitra-po no nahatratraran’ny polisim-pirenena tao Ambalamanasy, ao Toamasina, ny rongony milanja 55 kg nafenina tao ambany fandriana.
Ny alahady lasa teo no nisehoan’izany. Mahita fomba vaovao hanafenana ny raharaha maloto foana ireo mpanao ratsy. Tamin’ny fisavana ny trano no nahafantarana fa nafatratra tao anaty sakaosy miisa dimy ireo rongony. Nogiazin’ny polisy avy hatrany ireo zava-mahadomelina ireo ary nosamborina niaraka tamin’izany ilay tovolahy mpivarotra izany. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nanambara ity farany fa avy any Ifito ao amin’ny distrikan’i Toamasina faharoa no nakany an’ireto rongony ireto, izay saika aparitaka ao Toamasina amin’ny vidiny 500 ariary ny fonosana iray.
Laurena Nany

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny