Trafikana toaka gasy – 280 litatra sarona niaraka tamin’ny tompon’ny entana
Mahazo vahana tsy misy ohatra izany ny trafikana toaka gasy ao Toamasina. Voararan’ny lalàna ary idirana am-ponja miampy fandoavana lamandy ny fanaovana azy io. Hatreto anefa maro ireo olona mirotsaka amin’ity trafika ity. Tsy mety ho fongana mihitsy aza fa vao mainka mitombo isa hatrany ireo mpanamboatra toaka gasy. Toaka gasy 280 litatra tamina zerikanina 14 indray izao no saron’ny zandary tao amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy ao Toamasina saika nentina any Manjakandriana.
Tonga ara-potoana teny an-toerana ny zandary taorian’ny loharanom-baovao mari-pototra voaray tamin’ny olona tsara sitra-po. Tsy mbola tafakatra teny ambony fiara ireo toaka gasy tamin’ny fahatongavan’izy ireo. Rehefa nohadihadiana ilay mpamily saika nitondra ireo toaka ireo dia nanondro ny ramatoa tompon’ny entana izay monina ao Antseranampasika. Nidina teny amin’ny toeram-ponenan’ilay ramatoa ny mpitandro filaminana nisambotra azy avy hatrany. Niaiky ny heloka vitany ilay ramatoa nandritra ny famotorana natao azy. Araka ny filazany dia efa fanindroany no nanaovany izao trafikana toaka gasy izao ary eny Antsenampasika manaraka ny lakandranon’i “Pangalanes” no toerana fakany an’ireto toaka gasy ireto.
Laurena Nany