Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Jiolahy dimy naiditra am-ponja

Taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary tao Mahajanga dia jiolahy miisa dimy no sarona ary efa naiditra am-ponja ny 12 aogositra. Ireto farany izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanakanan-dalana mpivady nandeha môtô teny Namakia ny marainan’ny alahady 2 aogositra lasa teo, tamin’ny 7ora.

Mpivarotra volamena izy mivady ireo ary nosakanan’ny jiolahy efatra mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nisaron-tava ny telo tamin’izy ireto nandritra ny fanafihana raha toa ka tsy nanao izany ny iray ary fantatr’izy mivady tsara satria olona akaiky azy ireo ihany. Nandeha kodiaran-droa moa ny iray hafa tamin’ireo jiolahy izay nialoha lalana ireo mpivady ary nisioka mafy be ity farany avy eo mba hanairana ireo namany izay efa niandry fotsiny. Nofatoran’ireo olon-dratsy teo amin’ny vava, tanana ary tongotra izy mivady. Lasa tamin’izany fanendahana izany ny vola, ny volamena ary volafotsy mitentina 8 tapitrisa ariary.

Tamin’ny nahatratrarana an’ireto jiolahy dia sarona ny basy poleta, bala fampiasa amin’ny basim-borona miisa efatra, ody gasy. Niaiky ny heloka ny iray tamin’izy ireo nandritra ny famotorana izay nilaza fa mpamatsy fitaovam-piadiana ny telo amin’izy ireo ary mpanantanteraka kosa ny ambiny.

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre