Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Imerintsiatosika – Nandamoka ny fanafihana, sarona ny mpiasa an-trano mpiray tendro

Raha nitetika ny handroba vola mitentina 10 tapitrisa ariary tamina mpivarotra « poulet de chair » iray tao Imerintsiatosika ny jiolahy miisa roa ny alin’ny alarobia teo dia nandamoka izany noho ny fahatratraran’ny mpitandro filaminana azy ireo ara-potoana. Tsy nampoizin’ireo jiolahy fa efa  nisy nampandre ny fikasan-dratsin’izy ireo tany amin’ny zandarimaria. Naharay hafatra tamin’ny finday ny zandary ny harivan’io alarobia io nilaza fa misy roalahy mampiahiahy nandeha taksiborosy niala aty an-drenivohitra hihazo an’Imerintsiatosika tokony tamin’ny 7ora sy sasany ka tokony ho savaina ilay fiara. Rehefa nosavaina tokoa ilay fiara rehefa nandalo teo amin’ireo zandarimaria dia indreto izy roalahy nanao fihetsika kaodikaody. Raha nojerana ny entan’izy ireo dia nahitana basy poleta vita gasy iray sy balana sevrotina miisa 6, baramina, « pince coupante » ary moara.

 

Ny mpiasa an-trano no mpiray tsikombakomba

Nosamborina avy hatrany izy roalahy niaraka tamin’ireo fitaovana nentin’izy ireo manao ny asa ratsy. Niaiky ny fikasan-dratsiny izy roa nandritra ny famotorana azy ireo ary tsy vitan’izay fa nilaza koa ireo mpanao ratsy ireo fa ny mpiasa an-tranon’ilay mpandraharaha saika ho robaina no mpiray tsikombakomba amin-drizareo. Misy vola mitentina 10 tapitrisa ariary ao amin’ny tompon-trano ka io  no nokasain’izy ireo angalarina. Efa voatafika indroa io tokantrano io ny taona 2013 sy 2014 ary fantatra nandritra ny fanadihadiana azy ireo fa ry zalahy ihany no tompon’antoka tamin’izany nampian’ilay mpiasa an-trano hatrany. Izy ireo ihany koa no nanatanteraka ny fanafihana tetsy Anosy sy 67 ha vao herinandro izay araka ny filazan’izy roa hatrany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre