Tsy manam-pahadisoana!
Nipoitra tampoka indray ny filoha Ratsiraka ny alin’ny alarobia lasa teo rehefa nagingina tao anatin’ny volana maromaro. Nifantenana mpanao gazety vitsy kely hametra-panontaniana aminy ary nalefa mivantana tamin’ny fahita lavitra mihitsy. Io fotoana io rahateo no nanararaotany nilazana fa hamoaka boky izay fandraisany anjara amin’ny tantaram-pirenena ny tenany. Tsy niova ny amiraly fa mbola mahatazona tsara ny fitadidiany sy ny fahaizany maneho hevitra. Mbola izy aloha hatreto no mpanao politika malagasy ankatoavin’ny rehetra fa tompon’ny fahaizana.
Mbola noporofoin’ny amiraly Ratsiraka ihany koa fa tsy nanenina velively tamin’ireo zava-bitany teto amin’ny firenena ny tenany. Nirehareha mihitsy aza izy fa nahavita nitondra fiovana maro teto Madagasikara. Nahitsy fanontaniana ireo mpanao gazety ary tsy niolaka namelively ny amiraly tamin’ireo heloka maro be hanendrikendrehana azy saingy tsy nampihontsona azy izany. Raha fehezina ny hevitry ny amiraly dia tsy meloka izy ary tsy nanao hadisoana teto amin’ny firenena. Io kosa aloha dia hitovizany amin’ireo mpitondra rehetra nifandimby. Samy nilaza azy ho nahavita sy nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara avokoa mantsy ireo filoha rehetra teto hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Izay mipoitra toa babany avokoa ary tena mirehareha fa izy no tena nanoitra ity firenena.
Tsy mifanaraka amin’izany anefa ny zava-misy marina iainan’ny firenena sy ny vahoaka ankehitriny. Gisitra lava izao i Madagasikara eo amin’ny lafiny rehetra. Voasokajy mihitsy ho anisan’ireo firenena mahantra sy tsy mandroso indrindra eto amin’ity planeta tany ity. Midika izany ary maneho fa tsy nety ny fomba fitantanana teto hatramin’izay. Io antony io rahateo no mahatonga ny krizy politika miverimberina satria manao fampanantenana poak’aty sy kobaka am-bava izay tsy eo amin’ny fitondrana rehetra. Kanefa rehefa mahazo seza, mitovy ihany ny zavatra ataony: mameno paosy! Rehefa nahongan’ny olona ka miala eo dia misora-tena ho lasibatra ary manandra-tena ho nahavita tamin’ny fotoana nitondrany.
Tsy manaiky diso ary milaza ho tsy manan-keloka avokoa ireo mpitondra rehetra nifandimby hatramin’izay. Ny hita ety ivelany aloha dia lasa manan-karena mihoam-pampana izy ireny sy ireo mpiara-miasa taminy tao anaty fitondrana. Tsy hanavahana na iza na iza eto fa ireo rehetra izay nitondra teto Madagasikara dia tena tafita be araka ny fitenenana avokoa. Tsy mba toy izany kosa anefa ny vahoaka satria miha-mikorosy fahana hatrany ny fari-piainana.
Tia tena loatra ny mpanao politika malagasy ka ireo eo amin’ny fitondrana manao izay hamenoana paosy ary ny mpanohitra kosa manao izay haminganana ny asa fampandrosoana rehetra ahafahana manongana. Dia ny vahoaka sy ny firenena ihany no ianjadian’ny voka-dratsin’izany rehetra izany. Tsy mahagaga raha tsy marisika intsony amin’ny fanaovana adidy ho an’ny fireneny ny malagasy. Porofon’izany ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana izay tsy mitsaha-mijotso. Farany teo aza dia latsaky ny 30% ny olona tonga nifidy tamin’ny kaominina maro manerana ny Nosy. Maneho izany fa tsy rototra amin’ny raharaham-pirenena ary tsy mametraka fitokisana amin’ny mpanao politika intsony ny vahoaka. Mpanao politika izay samy milaza azy ho anjely ary manondro ireo mpifaninana aminy ho olon-dratsy avokoa nefa mitovy ihany ny ataony rehefa eo amin’ny fitondrana. Ankehitriny aza dia sahin’ny mpitondra ny milaza fa efa tena miroso sy misy vokatra azo tsapain-tanana ny asa fampandrosoana nefa ny firenena iaraha-mahita fa miha-mikorosy fahana hatrany. Raha tia handroso ity firenena dia mila miaiky heloka ireo mpanao politika rehetra efa nitantana ny firenena fa tsy nahavita matoa i Madagasikara toy izao. Mila miala tanteraka amin’ny sehatra politika mihitsy izy ireny ka mijanona ho raiamandreny fotsiny satria lasa fakan-tahaka ratsy ho an’ny tanora sy ny taranaka aty aoriana.
Ravalo tsy Manana