Ambatondrazaka – Tovolahy maty voatsatok’antsy, misy te-hanarontsarona ny raharaha
Ny 20 jiona lasa teo, tovolahy iray 23 taona no maty nisy nanatsatoka antsy nandritra ny fijerena fampisehoana an-kalamanjana tao amin’ny toerana fanaovam-baolina iray ao Ambatondrazaka. Raha tokony hiakatra fampanoavana ny 25 jiona iny anefa ireo olona ahiana ho tompon’antoka tamin’ity vono olona ity dia fantatra fa votsotra ireo olona ireo. Manahy mafy noho izany ny havan’ilay maty amin’ny fitadiavana hanarontsarona ny raharaha na dia teo aza ny fifampiresahana sy ny fifanatonana natao teo anivon’ny mpanao famotorana. Tsy vitan’izay fa notoroana hevitra handefa taratasy any amin’ny “procureur” mihitsy ny havan’ny maty mba hanohizana sy hanafainganana ny fanaovana ny famotorana saingy nandamoka avokoa ireo.
Etsy ankilany dia mirehareha fatratra ny eo anivon’ny fianakavian’ireo namono milaza hoe tsy misy zavatra tsy vitan’ny vola sady mandrahona ihany ny havan’ny maty. Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia halatra omby tamin’ny volana martsa no niandohany raharaha. Norobain’ny dahalo indroa miantaona ny omby miisa 37 an’ny fianakavian’ny maty tamin’izany fotoana izany. Nisy fanarahan-dia ary tratra ireo nandroaka ny omby ary namoaka vava mihitsy ny amin’ny tsy maintsy hahafatesan’ny iray amin’ireo tompon’ny omby.
Laurena Nany