Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Fifidianana kaominaly – Miisa 239 ny fitarainana voaray

Navoaka ny fitsarana misahana ny raharaha fifanolanana amin’ny fanjakana (Tribunal administratif), ny alakamisy 13 aogositra 2015 teo ny tarehimarika mirakitra ny tranga fitarainana azo, momban’ny raharaha fifidianana kaominaly, nisafidianana izay ho ben’ny tanàna, natao ny zoma 31 jolay 2015 tato amin’ny faritanin’i Toamasina iray manontolo. Araka ny fitarainana voarain’ity fitsarana misahana izany raharaham-pifidianana kaominaly izany, dia fantatra fa  miisa 239 ireo fitairanana tonga teny anivon’ity fitsarana manokana ity. Tamin’ireo tarehimarika ireo dia mahatratra 115 ny fitarainana hita teto anivon’ny Faritra Atsinanana. Miisa ho  63 kosa ny an’Alaotra Mangoro, ary 61 ny avy ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Amin’ny ankapobeny dia ny raharaha mikasika ny hala-bato, sy ny fangatahana ny amin’ny tokony hanitsanana ny kandidà iray voalaza nandika lalàna, na ny fanafoanana tanteraka sy ny fameranana ny fifidianana  ny ankamaroan’ireo fitarainana voaray ireo. Ny antoko politika telo lehibe eto amin’ny firenena no tena misongadina amin’ireo fitarainana ireo : ny antokon’ny fitondrana H.V.M, ny MAPAR, ary ny TIM. Ankoatry ny famoahana ireto tarehimarika ireto dia fantatra ihany koa, fa ny andron’ny zoma 14 aogositra ity amin’ny folo ora maraina no  hanambaran’ny rantsan’ny Ceni-T eto an-drenivohitra Toamasina, ny voka-pifidianana vonjimaika, izay atao ao amin’ny efitrano malalaka ny Lapan’ny tanàna.

 Zouzouh Toamasina

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre