Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Sambava – Tovolahy maty notetehan’ny jiolahy efa-dahy ny famaky

Ny alin’ny sabotsy 8 aogositra teo no nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Ambohitrakongo, ao anatin’ny distrikan’i Sambava nandritra ny alim-pandihizana. Lehilahy roa no fantatra fa nifamaly mafy nandritra ilay alim-pandihizana izay nihafara tamin’ny fitsatohana antsy. Tsy nahatanty ny fifamaliana nisy teo amin’izy roalahy ny iray ka dia notsatohany antsy teo amin’ny faritry ny kibo ilay nifamaly taminy. Tsy fantatra kosa ny antony nahatonga ny fifamaliana. Nefa raha nahita izany ny naman’ilay lehilahy voatsatoka antsy dia ny hamaly faty avy hatrany no fikasany.

Miisa efa-dahy izy ireo no tonga masiaka niaraka tamin’ny famaky rehefa nisy nampilaza momba ny nanjo ny naman’izy ireo io. Tsy nisy alaharo fa avy dia notetehan’izy ireo ny famaky ilay tompon’antoka tamin’ny tsatoka antsy. Ity farany moa tsy nanam-po na inona na inona ka tsy afa-nihetsika hany ka maty tsy tra-drano.Teo anelanelan’izay dia nentina teny amin’ny hopitaly Besopaka mba hahazo fitsaboana ilay tovolahy voatsatoka antsy. Tamin’ny fanambaran’ny dokotera dia tsy misy atahorana ny ainy. Ireo nahafaty olona kosa fantatra fa nandositra ny tanàna. Nandeha ny fikarohana nataon’ny polisim-pirenena tao an-toerana. Fantatra anefa amin’izao fotoana izao fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana izy ireo atao famotorana.

L.N  

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre