Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

SourceURL:file://localhost/Users/intelmini2/Desktop/Web_matin_1844/maraina/Tsiroanomandidy.doc

Tsiroanomandidy

Olona telo namoy ny ainy tamin’ny fanafihan-jiolahy

Olona telo indray no namoy ny ainy vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Mahasolo ao anatin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ny alin’ny zoma lasa teo, tamin’ny 8ora tany ho any. Tena nofy ratsy tanteraka no niainan’ireo mponina tao an-toerana.

Magazay iray no nidiran’ireo andian-jiolahy an-keriny ka lasa ny vola voaangona nandritra ny telo andro. Tsy vitan’izany fa mbola niharan’ny tifitra ihany koa ny tompon’ny toeram-pivarotana ka naratra mafy. Rehefa nandositra ireo jiolahy dia nisy fanarahan-dia nataon’ny fokonolona ka nitifitra indray ireo olon-dratsy ary lavo tamin’izany ny roa tamin’izy mpanara-dia ka nampihemotra azy ireo. Tsy nijanona teo anefa ireo mpanafika fa nandroba mpivady mpanangom-bokatra indray izay monina tsy lavitra teo. Notifirin’izy ireto izy mivady nandritra ny fandalovany ka naratra mafy ary lasa ihany koa ny vola 15 tapitrisa ariary mahery.

Rehefa niala tao amin’izy mivady ireo jiolahy dia nifanehitra tampoka tamina kamiao iray. Tsy nisy alaharo alaharo fa notifirin-dry zalahy ilay mpamily ka dia maty tsy tra-drano. Efa mandeha ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao hikarohana ireo nahavanon-doza.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre