Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Vola sandoka – Roa lahy nahatratrarana 5 tapitrisa ariary mahery

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitra-po dia lehilahy miisa roa no nahatratraran’ny polisim-pirenena vola sandoka an-tapitrisany tao anatin’ny distrikan’Ihosy ny faran’ny herinandro lasa teo. Naharay antso avo amin’ny olona tsy fantatra ny polisy fa misy lehilahy iray manodidina ny 50 taona any ho any manaparitaka vola sandoka amina trano fandraisam-bahiny iray ao Andohan’Ilakaka.

Tsy niandry ela intsony ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-misy. Rehefa natao ny fisavana ny efitranon’ity lehilahy ity dia akory fa nitombona tokoa ny fisian’ny vola sandoka tao aminy. Nosamborina avy hatrany ity farany. Nandritra ny famotorana natao taminy no nilazany fa misy lehilahy iray hafa izay monina ao Ihosy nanome azy ireo vola ireo.

Nandeha indray ny fikarohana an’io olon-dratsy io ary voasambotra ihany koa niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 5 440 000 ariary amin’ny sandany iray alina ariary izay saika aparitaka tany an-toerana.

Mba hanamarinana fa tena vola tsy ara-dalàna tokoa ireo vola ireo dia voalaza fa nanatona ny banky tao Ihosy ny polisy ary voaporofo fa tena sandoka tokoa ireo vola hita teny amin’izy roa lahy ireo.

Mandra-piandry ny fitsarana azy ireo dia nampidirana am-ponja avy hatrany izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre