Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Zaza latsaka tanaty renirano – Efatra andro mbola tsy hita popoka

Mitohy ny fikarohana an’ilay zazakely 5 taona izay latsaka tao anaty renirano ao amin’ny distrikan’i Ambatondrazaka. Efa ny alakamisy teo no fantatra fa latsaka tao amin’ny renirano lehibe avy teny amin’ny tetezana Andromba, ao anatin’ny kaominina Andromba io zazakely io fa mbola tsy nahitana ny vokany ny fikarohana nataon’ireo mpamonjy voina hatramin’izao.

Niaraka tamin’ny reniny ilay zaza tamin’ny fisehoan’ny loza. Nandeha teo amin’ilay tetezana izy mianaka raha niditra ny fiara iray. Natahotra ilay zaza raha nahita ity fiara ka nitsoaka izy mianaka kanefa tsy tanan’ny reniny izy hany ka latsaka tany anaty renirano tany. Efa very fanantenana tanteraka ny fianakavian’ilay zaza amin’izao tsy nahitana ny fatiny izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia misy faritra tena lalina amin’io renirano io ary mety latsaka mifanandrify amin’io faritra voalaza io ilay zaza ka manano sarotra ny fitadiavana azy.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre