Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Azo tsy misy voany !

Nanamarika iny herinandro lasa iny ny fitsidihan’ny filohan’ny Repoblika tany ivelany. Rehefa tsy nandrenesam-peo ny fivahinianany matetika ivelan’ny firenena nandritra ny herinandro vitsivitsy dia niverina nanao izany indray ny tenany. Miandry vokatra mazava hita soritra amin’ny tombontsoan’ny firenena sy misy fiantraikany mivantana eny anivon’ny vahoaka, noho izany, ny Malagasy. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tena nampiavaka ny filoha, ankehitriny, ny fandraisany anjara matetika amin’ny hetsika sy fivoriana maro iraisam-pirenena ka mahatonga azy tsy maintsy mandao ny firenena. Tsy dia nisy fiantraikany firy tamin’ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara anefa ireny fivahinianana any ivelany ireny matoa mbola mikorontan-dava toy izao ny firenena noho ny fahantrana sy ny olana maro tsy mety voavaha.

Vao tamin’iny herinandro iny no nisy minisitra nivaky fa tsy manam-bola hanatanterahana ny hetahetan’ireo mpanao fitokonana sy fangatahana etsy sy eroa ny fitondram-panjakana. Tena marina ny nambaran’io minisitra io satria olana ara-bola no tena vato misakana ny asa fampandrosoana eto amintsika. Tsy manam-bola andoavana ny faktioran’ireo mpamatsy herinaratra ny Jirama ny Fanjakana ka mahatonga ny delestazy eto an-drenivohitra. Tsy manam-bola hividianana piesy ho an’ny gropin’ny JIRAMA ao Mandroseza ny fanjakana ka voatery manome ny fitantanana ho an’ny orinasa tsy miankina ary ny tsy fanekena izany no mahatonga ny mpiasa hitokona. Mbola tsy manam-bola andoavana ny tambin-karama ho an’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka ihany koa ny fitondrana ka mahatonga ny fitokonana sy ny fifandroritana eny amin’ny oniversite. Lava be ny lisitra fa rehefa avondrona dia resa-bola no tena antony ankoatra ny resaka politika.

Fanaon’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto Madagasikara, ary saika maneran-tany mihitsy rehefa mivoaka ny fireneny ny filoha ny mitady fiaraha-miasa sy famatsiam-bola. Izany hoe tsy maintsy mahavita fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa maromaro any amin’izay firenena tsidihany ny delegasiona. Tsy izany anefa no nisy teto Madagasikara hatramin’ny nijoroan’ny izao fitondram-panjakana ankehitriny izao. Ny fivoahana any ivelany tena betsaka fa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa azo isaina amin’ny ratsan-tanana raha misy. Io no ilazana fa karazan’ny mandany andro amin’ny hazo tsy misy voany ihany ny delegasionim-panjakana mandeha matetika any ivelany raha tsy afaka mitondra vokatra mazava isaky ny tafaverina.

Ekena ary tsy azo lavina fa tsara ary ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny saingy mila aseho amin’ny alalan’ny vokatra izany fa tsy mijanona ho kabary ambony pilopitra fotsiny. Tsy andron’ny resa-be sy ny fampanantenana ary “atao sy amboarina” intsony izao fa efa fotoanan’ny fanomezana vokatra mivaingana. Efa tena tototry ny fahantrana rahateo ny vahoaka ka izany no mahatonga izao korontana sy fitakiana lavareny mitranga etsy sy eroa izao. Na ny mpanao politika aza dia manana ny rariny raha hitaky sy hitsikera satria misy ny tsy mety. Matoa ny mpanohitra misisika hiditra ao anaty fitondram-panjakana  amin’ny alalan’ny fangatahana ny hanoloana ny praiminisitra sy handravana ny governemanta dia mahita izy ireo fa tsy mandeha amin’ny nampanantenaina ny raharaham-pirenena ary mila avotana haingana i Madagasikara.

Miziriziry amin’ny heviny anefa ny fahefana mpanatanteraka ary tsy mety miala. Tsy diso izy raha izay no fantany fa mety nefa kosa mila mampiseho fa tena ilaina ny fijanonan’ny governemanta eo. Izany hoe mila miasa ho fampandrosoana marina ny firenena fa tsy mandany

andro amin’ny hazo tsy misy voany toy ny fanatrehana fampirantiana momba ny sakafo malagasy any Italia nefa ny vahoaka eto an-toerana aza tsy mihinan-kanina. Tsy vitan’ny fihetsiketsehana sy ny fisehosehoana ny fampandrosoana satria rehefa noana ny vahoaka dia mikorontana ny firenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre