Anosibe – Karana iray hafa nisy naka an-keriny
Karana iray tompon’ny magazay mivarotra kojakoja momba ny môtô indray no nisy naka an-keriny. Tetsy Anosibe no nisehoan’izany ny harivan’ny zoma 14 aogositra, tamin’ny 7ora sy diman-polo minitra tany ho any teo akaikin’ny trano fonenany manakaiky ny trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny Solimotel Anosibe rehefa hihazo ny fodiana ity lehilahy ity. Araka ny loharanom-baovao dia tahaka ny efa nandrasan’ireo jiolahy mihitsy ilay karana.
Nandeha fiara tsy mataho-dalana ilay lasibatra ary raha sendra nijanona teo akaikin’ny tranony avy hatrany dia nitsofoka tao anatin’izany fiara izany ny jiolahy miisa efatra rehefa avy namaky ny fitaratry ny fiara. Nambanan’izy ireo basy ilay karana sady nasain’izy ireo novelomina indray ny fiara mba hanohy ny diany. Tsy fantatra intsony hoe nankaiza ry zareo araka ny fanambaran’ny nanatri-maso ny zava-misy. Efa mandeha ny famotorana ataon’ny polisim-pirenena sy borigady misahana ny heloka-bevava amin’izao fotoana. Ny zandarimariam-pirenena kosa etsy ankilany efa manao ny sakana amin’ny lalana rehetra manodidina an’Antananarivo renivohitra.
Laurena Nany