Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Formaprod – Mikaroka hatrany amin’ny fampiasana masomboly voafantina

Tsy mitsahatra sy mikaroka hatrany ny fanatsarana ny fambolena samihafa aty Atsinanana ireo tompon’andraikitra misahana mivantana ny fomba entina hitadiavana lalana ho amin’ny fampiasana ny masomboly voafantina ato anatin’ny Faritra Asinanana sy Analanjirofo, ka ny tontolo andron’ny zoma 21 aogositra 2015 dia nanatanteraka atrikasa teto an-drenivohitr’i Toamasina, ny « programme de Formation professionnelle et d’amélioration de la productivité agricole » (Formaprod), niarahana tamin’ ny Fofifa, ny Saf FJKM, ny Ancos, ary ireo fikambanana hafa. Niatrika sy nitondra fanazavana mikasika ity masomboly voafantina ity ny talem-paritry ny fampandrosoana ny fambolena aty Atsinanana, Nirhy Rakotobe, ka nilaza mivantana fa dia hita ho tsy mbola matihanina ny tantsaha aty Atsinanana.

Ilaina araka izany ny mampahafantatra  ny mahakasika indrindra ny masomboly voafantina, izay novelabelarina sy nifanakalozana hevitra tamin’izany atrikasa izany. Voalaza àry fa : – olana ny tsy fampiasana ny masomboly voafantina, sy ny fikaroahana ataon’ny mpikaroka ny masomboly voafantina, – ny fanofanana ny teknisiana hampianatra ny Ong sy ny « Groupement des producteurs des semences » (GPS), – ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny masomboly voafantina. Eo ihany koa ny antontanisa mamaritra ny hoe : iza marina moa no tena tantsaha, ka mahatonga ny tsy fahampian’ny fanentanana eny anivon’ny tantsaha, ny fomba fampiasa masomboly voafantina. Tsy ampy ny fahefa-mividin’ny tantsaha eo amin’izay hvidianana ny masomboly voafantina. Noho izany, hoy ny rehetra dia tokony hisy ny tantsoroky ny fitondram-panjakana ho fanampiana ny tantsaha hividianany ny masomboly voafantina, ahafahan’izy ireo mahazo izany masomboly voafantina izany ho fanatsarana ny fambolena ataony fivelomanana andavanandro.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre