Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fanafihana mitam-piadiana – Gadra telopolo navoaka hanakorontana

Raha tsiahivina dia notafihana andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadina ny tokantranon’olona iray tao Tanambao V ao Toamasina ny alin’ny sabotsy 15 hifoha alahady 16 aogositra lasa iny tokony tamin’ny 12 ora tany ho any. Niharan’ny fanolalana ny renim-pianakaviana iray 45 taona sy ny mpanofa trano, tovovavy 17 taona izay mipetraka amin’ny efitra ilany tamin’izany. Miisa telo ireo jiolahy tamin’ny fotoana nanafihana. Vantany vao tafiditra tao izy ireo dia nisava ny entana ka lasa ny vola kely tahiry tamin’ny boatin-drakitra lehibe iray. Ny nahagaga anefa dia tsy nalain’izy ireo ny môtô sy ny fahitalavitra ary ny tablette teo ambany mason’izy ireo.

Notarihin’izy ireo teo amoron-tatitra izy roa vavy ka nampiharan’ny filan-dratsiny. Nandritra ny fanafihana dia nilaza ny iray tamin’ireo jiolahy fa gadra navoaka izy ireo mba hanao fanakorontanana ao amin’ny tananan’i Toamasina ary miisa 30 any ho any izy ireo. Tsy vitan’izany ihany koa fa nilaza izy ireo nanao hoe « Ianareo vahiny no te-hifidy an’i Hery Rajaonarimampianina. » Tsy fantatra noho izany ny fonosin’io teny navoakan’ireo olon-dratsy ireo sy ny fahamarinany fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny raharaha. Misokatra ny fanadihadiana ary efa mandeha ny fikarohana ireo tsy mataho-tody.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre