Ambatondrazaka – Mangataka hanaovana hetsika manokana
Mandry tsy lavo loha ireo mponina ao Ambatondrazaka amin’ny asan-jiolahy. Ankoatra ny halatra omby sy ny fanafihan-dahalo any an-toerana dia mahazo vahana ihany koa ny vaky trano. Vao tsy ela akory izay no nisy vaky trano tao an-toerana ka lasa nanjifa nandritra izany ny vola mitentina 3 tapitrisa ariary. Tsy tao an-trano fa namonjy fahoriana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nandalovan’ireo jiolahy. Tsy vao sambany fa efa nisy vaky trano in-dimy nialoha io tranga io. Efa misy ihany koa ny olona ahiana, fa tsy manana porofo ireo mponina ka tsy sahy miteny sady matahotra ny iharan’ny valifaty. Manoloana io firongotry ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana io dia mangataka ireo mponina ny tokony hanaovana hetsika na « opération » tahaka ny any amin’ny kaominina hafa mba ahafahan’izy ireo mamita ny asa aman-draharaha rehetra am-pilaminana. Araka ny fantatry ny rehetra dia jono sy fiompiana ary fambolena no anto-piveloman’ireo mponina izay mamatsy ireo kaominina lehibe any amin’iny ilany avaratra Ambatondrazaka iny.
L.N