Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Antalaha – Ramatoa hita faty natsingevan’ny rano

Tao amin’ny reniranon’i Antananagnambo, ao amin’ ny fokontany Ambolibe ao anatin’ny distrikan’i Antalaha no nisehoan’izany. Ny alakamisy 20 aogositra atoandro no hitan’ny olona farany ity ramatoa ity nandeha nanatitra ny zanany hihazo ny tanànan’i Antalaha ka niampita izany renirano izany ka tsy niverina intsony. Akory ny hatairan’ny olona iray handeha hanasa vilia sy vilany tamin’izany renirano izany ny marainan’ny zoma 21 aogositra raha nahita ny fatiny natsingevan’ny rano. Nampandre ireo tompon’andraikitra avy hatrany ity farany ka nidina teny an-toerana izy ireo nijery ny razana. Tamin’ny fizahana nataon’ny dokotera dia fantatra fa nilentika tanaty rano no nahafaty an’io ramatoa io. Nahenoana fofon-toaka ihany koa io ramatoa io dia izay no nahafaty azy. Raha nilomano hody hihazo an’ny Ambolibe io vehivavy io dia navadiky ny rano. Tamin’ny fanambaran’ny manodidina dia efa mpisotro toaka mihitsy izy ary tsy vao sambany izao zava-misy izao fa efa fanindroany saingy tamin’ny voalohany izy nisy nahita ka avotra. Natolotra ny fianakaviany ny razana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre