Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Any amin’ny fitsarana ny fahefana !

Heverin’ny maro fa hivoaka amin’ity herinandro ity ny voka-pifidianan’ny ben’ny tanàna izay natao ny 31 jolay lasa teo tamin’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy. Miankina betsaka amin’ireo vokatra hivoaka eo ny famaritana ny ho tohin’ny raharaham-pirenena satria andaniny ny fitondram-panjakana miantehitra mafy amin’ny vokatra vonjimaika izay maneho fa nahazo ben’ny tanàna maro indrindra ny antoko HVM. Miandrandra ny handray ny toeran’ny ben’ny tanàna ihany koa ireo kandida hafa nandresy vonjimaika tamin’ny vokatra tsy mbola ofisialy. Ankilany kosa anefa dia maro be ireo tsy manaiky resy noho ny antony samihafa. Misy manana porofo mazava izy ireny fa tena tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Misy manana porofo fa nisy ny resaka hala-bato sy ny fanodinkodinana ny vokatra. Mazava ho azy fa nametraka fitarainana ny amin’ny hanafoanana ampahany na manontolo ny fififidanana ireny kandida nahatsapa fa niharan’ny tsindry hazo lena ireny.

Ireo antony ireo no ilazana fa any amin’ny fitsarana voatendry hanapaka sy hamoaka ny valim-pifidianana ny fahefana. Tsy misy azo atao intsony mantsy aorian’ny famoahan’ny vokatra ofisialy. Izany hoe izay voatendry fa lany tamin’ny fifidianana dia lasa ben’ny tanàna. Ny ambiny kosa dia voatery miroso any amin’ny lisitry ny mpanolotsaina.

Eo amin’ny resaka ara-dalàna io resahina io fa tsy misy azo atao intsony fa na izany aza dia tsy azo odian-tsy fantatra ny fahazaran’ny mpanao politika mitarika hetsika andalam-be hanoherana ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena. Mifarana eo amin’ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana sy ny didy avokoany mantsy ny fetran’ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia. Rehefa tsy azo antoka intsony ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika dia miroso amin’ny hetsi-bahoaka sy ny fifandonana ny lojikan’ny fanaovana politika.

Azo antoka fa samy tsy hanaiky ny voka-pifidianana ireo rehetra tsy omen’ny fitsarana. Andaniny, ireo resy tamin’ny vokatra ofisialy dia hitsipaka tanteraka ny valim-pifidianana hivoaka eo raha toa ka tsy nisy fiantraikany tamin’ny vokatra ofisialy ny fitarainana sy ny fitoriana napetrak’izy ireo. Ankilany kosa, raha toa ka miova ny voka-pifidianana ofisialy dia inoana fa tsy hipetra-potsiny ireo kandida sy antoko efa nanantena ny handresy tamin’ny vokatra tsy mbola ofisialy.

Raharaha sarotra ireo miandry ny fitsarana misahana ny fifidianana kaominaly farany teo satria na inona na inona vokatra hivoaka dia tsy maintsy hiteraka savororvoro amin’ny kaominina maro be. Olona nanao fianianana ary manam-pahaizana sy mahafehy ny asany anefa ireo mpitsara ka antenain’ny maro fa tsy hanaiky ny teritery maro samihafa fa tena ampihatra ny marina mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka. Tompon’andraikitra feno ary tompon’ny fahefana ny hanapaka sy hamoaka didy mifandraika amin’ny tena zava-misy marina nandritra ny fitsarana ireo mpitsara natokana hisahana izany. Antenaina fa ho sahy haka fanapahan-kevitra hanafoanana ny voka-pifidianana tsy nanara-dalàna izy ireo ary handà ihany koa ny fitarainana tsy mitombina. Safidim-bahoaka rahateo no resahina eto ka mila hentitra sy tsy azo hozongozonina ny fitsarana.

Sarotra ihany koa ny miandry ny vahoaka satria raha sanatria nisy ny fanodikondinana ny safidiny dia karazan’ny lasibatry ny tsy an-drariny sy ny fanambakana ihany izy ireo. Sarotra ny raharaha satria raha hangina sy handefitra manana ny rariny dia ny ratsy no lasa hanjaka eto amin’ny firenena ary tsy hisy ny asa fampandrosoana vanona eto. Hiteny sy hijoro hitaky ny marina anefa dia ho lazaina fa mpanakorontana sy fanetry ben’ny firenena. Efa fomba amam-panaon’ny mpitondra nifandimby rahateo ny fanasokajiana ho mpanakorontana izay rehetra mitaky ny zony sy ny fahamarinana ary ny  tany tan-dalàna sy demokrasia tena izy.

Andrasana izany izay ho voka-pifidianana hivoaka eo ary irarian’ny maro mba hitondra filaminana fa tsy sanatria krizy vaovao hafa indray.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre