Anjanahary – Fatim-behivavy 35 taona natsipy teny amin’ny fasana
Fatim-behivavy manodidina ny 35 taona no hita teny amin’ny fasam-bahiny Anjanahary omaly tokony tamin’ny efatra ora maraina. Ny mpiambina nanao fisafoana ny toerana no nahatsikaritra izany. Tamin’ny fahitany ny razana dia mifono bodofotsy ary mifatotra tady ny tendany sady misy tsatok’antsy izany, ny teo ambanin’ny heliny ihany koa torak’izany.
Niantso ny polisy ilay mpiambina ka nidina teny ireto farany niaraka tamin’ny Bmh. Fantatra nandritra ny fizahana fa efa maty io ramatoa io vao natsipy tao am-pasana. Tsy misy mahafantatra ny mombamomba ny razana hatreto. Nentina eny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ity farany miandry ny havany haka azy. Misokatra ny fanadihadiana.
Lehilahy iray hafa maty irery tao an-tranony
Ny alin’ny sabotsy 22 aogositra teo vao tsikaritry ny manodidina fa misy zavatra hafahafa ao amin’ny tranon’ity tovolahy iray 32 taona izay mpanamboatra bisikileta amoron-dalana eny amin’ny lalana OUA Anjoma manakaiky ny Sicam ao Toamasina. Efa telo andro mantsy ity tovolahy ity no tsy nisy nahatazana teo amin’ny trano fonenany. Nampandre ny sefom-pokontany noho izany ireo mpifanolo bodirindrina aminy. Nidina tena an-toerana ity farany ary rehefa nodondomina ka tsy namaly ilay tovolahy dia nanapa-kevitra ny hamaky ny tranony izy ireo. Akory ny hagagana fa vatany efa miampatra, misy ra mivoaka avy anaty orona no hita. Nampandre ny mpitandro filaminana ilay sefom-pokontany. Tonga teny an-toerana izy ireo niaraka tamin’ny dokotera nijery ny razana. Tamin’ny fizahana izany dia tsy mbola fantatra mazava hatreto ny antony nahafaty ity zazalahy ity.
Laurena Nany