Baomba tsy mipoaka !
Nahitana baomba vita tanana omaly teny amin’ny foibe fitokonan’ny mpiasan’ny JIRAMA. Tsy nipoaka io bamba io saingy zava-doza kosa raha toa ka izay no nitranga. Efa fotoana ela anefa izay no tsy nandrenesana ny asa fampihorohoroana toy izao dia io niverina io indray. Tsy fantatra intsony izay tena tompon’antoka satria raha ny zava-misy no jerena dia mifampiahiahy be ihany ny ny herivelona rehetra misy. Ny sendika sy ny antoko mpanohitra toa miroana any amin’ny fanasoketana ny mpitondra. Ireto farany kosa indray dia hita ho manasokajy ny mpanao fihetsiketsehana ho anisan’ny mpampihorohoro.
Soa ihany aloha fa baomba tsy mipoaka ny ankamaroany fa raha tsy izany angamba dia ra mandriaka sy faty mikararana no nisy teto Madagasikara. Be lavitra noho ireo asa fampihorohoroana nitranga tany amin’ireo tany anjakan’izany ny baomba no efa hita sy nisy nametraka teto an-drenivohitra izay milaza amin’ny fomba iray fa misy minia miketrika fanakorontanana eto. Mety ho stratejia entina hanasoketana ny hafa izay tsy mitovy hevitra amin’ny vondrona fanehoan-kevitra isanisany ihany koa anefa io tranga io.
Baomba tsy mipoaka, toa vazivazy zary tenany ihany ny filazana azy saingy kosa tena hita miharihary raha ny zava-misy eto amintsika no jerena. Maro ihany izay fihetsiketsehana nisy teto izay fa toa kapo-tandroka sy vono vorona no betsaka. Grevy atsy, grevy eroa, nefa tsy hita izay tena vokany teo amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka teo. Mody milaza ho miaro ny tombontsoan’ny be sy ny maro ireo mpiasam-panjakana sy mpiasa amin’ny orinasam-panjakana manao fitokonana nefa toa ny vahoaka madinika ihany no lasibatra amin’izany. Vao mitokona ny mpiasan’ny fananan-tany dia efa sahirana ny mpikarakara taratasin-tany. Tsy hita akory anefa izay tena vokatra azo teo fa dia niverina niasa izy ireo rehefa reraka na ihany koa leon’ny mipetra-potsiny. Tsy mahavita manao fitokonana maharitra ela be izany ny mpiasam-panjakana satria efa zatra tia kely sy mihinan-kely amin’ny alalan’ny kolikoly madinidinika. Firifiry ny mpiasam-panjakana no mivelona amin’ny fitsetsefana sy ny alahelon’ny olona ary manao alasafay ny asan’izy ireo. Fantatry ny mpitondra fa ny resaka kokiloly no tena fidiram-bolan’ny mpiasam-panjakana ka tsy asian’izy ireo lanjany firy izay resaka fitokonana any. Basy tsy mipoaka ity resaka fitokonana ity fa vao mahita marimaritra iraisana kely any ambadika any dia milamina ny raharaha.
Karazany sarin’ady ihany ny fihetsiketsehana etsy sy eroa fa tsy hita izay tena resy sy maharesy. Vao omaly ohatra no nifandona ihany koa mpianatry ny oniversite sy ny mpitandro filaminana. Nasehon’ireo fahitalavitra mazava fa variraraka ny tora-bato sy ny fandefasana grenady mandatsa-dranomaso. Nisy ihany koa ny mpianatra iray izay voasambotra tamin’ny fomba mahery vaika. Inoana anefa fa toy ny mahazatra dia ho vitavita ho azy indray ity hetsiky ny mpianatra eny Ankatso ity.
Mbola miseho ihany koa ny sarin’ady sy ny baomba tsy mipoaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Raha ny fahitana ny fihetsik’ireo depiote dia efa ela no nidaraboka ity fitondram-panjakana ity. Toa karazan’ny fihetsiketsehana ihany anefa no nisy fa tsy hita izay zava-bita teo. Nahatalanjona ny maro aza ny fihetsiky ny mpanohitra izay nanao izay azo natao rehetra handrodanana ny fitondrana nefa izao indray misisika hiditra ao anaty governemanta.
Hafakely ny zava-misy eto Madagasikara satria efa zary lasa fomba amam-panao sy stratejia manavanana ny herivelona rehetra ny hetsika fandrahonana ny fitondram-panjakana amin’ny fanaovana takalon’aina ny fiainam-
bahoaka.
Lasa ady varotra goavana fitadiavana tombontsoa manokana ho an’ny sendika sy ny mpanao politika sisa ny raharaham-pirenena ka izay te hahazo seza sy vola dia mody manao hetsika fitokonana sy tsy fankasitrahana ny zava-misy. Mandeha avokoa ny fandrahonana hampikatso ny raharaham-pirenena nefa baomba tsy mipoaka ihany ireny fa vao omen’ny mpitondra patsa indray mahandro dia milamina ny hetsika.
Ravalo tsy manana