Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Aretin-tsaina – Ireo tanora no tena voany

Araka ny fantatra dia ireo tanora adolantsento no maro voan’ny aretin-tsaina raha ny eto Madagasikara no resahana. Ny antony mahatonga izany ny fikorontanana vokatry ny disadisa eo anivon’ny fiaraha-monina sy ao anatin’ny fianakaviana. Fa hatreto dia ny fidorohana ny zava-mahadomelina no mitana ny laharana voalohany amin’izany. Tsapa ihany koa fa ireo zaza tsy miara-monina amin’ny ray aman-dreniny matetika no iharan’ny fikorontanana noho izy ireo matetika tsy ampy fifandraisana sy fitiavana ary ny fanarahana ny sitra-po mihoatra ny tokony ho izy.

Tamin’ny fanadihadiana natao anefa dia tsy ireo ihany no mitarika ny aretin-tsaina fa eo ihany koa ny sakana noho ny henatra ka mahatonga ireo adolantsento hidoroka zava-mahadomelina, toy ny toaka sy ny rongony. Mitazona ny laharana fahatelo mahatonga ny fikorontanan-tsaina ihany koa ny famonoan-tena eto Madagasikara. Ny aretin-tsaina anefa dia toy ny aretina rehetra ihany ary tsy voatery ny fandraisana zava-mahadomelina  no mahatonga azy fa manaranaka ihany koa izy ireny ary matetika dia any amin’ny faha-25 taonan’ny olona iray izany no miseho.  Mila fikarakarana sy fanaraha-maso noho izany ireny olona ireny. Matetika mantsy dia tsy rahirahian’ny fianakaviana ny olona voan’ny aretin-tsaina ary maro ihany koa ny mihevitra fa mosavy sy ny fidorahana ihany no mahatonga izany hany ka any amin’ny dadarabe na ny fiangonana no hitondrany ny havany. Efa misy anefa ny ivon-toerana voatokana ho an’ireo manana olana ara-tsaina izay mizara telo ny fitsaboana. Misy toerana voatokana ho an’ireo mikorontana mafy, izay misy olona maromaro ary koa ny eny anivon’ny fiaraha-monina rehefa miova ilay marary.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre