Amparafaravola – Notokanana ny tobin’ny kaomisarian’ny polisy
Fahatsapana fa tsy manaraka ny zava-misy ny trano izay efa tranaina niasan’ireo polisim-pirenena ary noho ny hetahetan’ny olom-boafidy sy ny mponina tany an-toerana dia nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka nanao sy nanangana trano vaovao ho an’ny Kaomisaria Amparafaravola. Navoitran’Andriamatoa minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspektera jeneralin’ny polisy Randimbisoa Blaise Richard tao anatin’ny lahateniny nandritra ny fanokanana ilay trano vaovao ny zoma 21 aogositra lasa teo ary tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa sy politikan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka dia ny fanatonana bebe kokoa ny vahoaka na ny antsoina hoe « Police de proximité » izao fananganana izao foto-drafitr’asa izao ametrahana filaminana maharitra eny anivon’ny faritra sy distrika mba hisian’ny tany tan-dalàna sy fampandrosoana.
Anisan’ny distrika iray notsongaina manokana i Amparafaravola nahazo izao foto-drafitr’asa izao hatramin’ny taona 2014 sy 2015 nitondran’ny fitondram-panjakana. Ankoatra ny fahazoana ity trano vaovao ity dia namboarin’ny minisitera ny fiaran’ny polisy any an-toerana. Ary tsy vitan’izay ihany fa mbola notolorana « Machine à écrire » iray vaovao ny Polisy any an-toerana ary nampanantena ny ministera fa mbola hanome môtô miisa roa. Voalaza fa tsy misy ny fampandrosoana vanona raha tsy misy ny fandriampahalemana. Nentanin’Andriamatoa minisitra sy namporisihany hatrany ny hanamafisana ny fisian’ny fiaraha-miasa amin’ny fametrahana tany tan-dalàna ho amin’ny filaminam-bahoaka ahafahana mamokatra sy mampitombo ny vokatra. Izao no natao mba hanohanana ny ezaka efa nisy eny ifotony.
Laurena Nany