Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Fisolokiana amin’ny alalan’ny solomaso

Raha nangigina ny fisolokiana tamin’ny alalan’ny solomaso tato ato teto an-drenivohitra dia fantatra fa tonga any amin’ny tananan’i Toamasina izany ankehitriny. Tsy lany paik’ady entina hanambakana olona mihitsy ireo mpanao ratsy. Ho an’i Toamasina manokana dia efa maro ireo olona voasoloky tamin’ny alalan’ny solomaso. Ny tranga farany niseho tany an-toerana izao dia ny tolakandron’ny alahady 23 aogositra tao amin’ny tsenan’ny Valpinson. Hatreto dia mbola tsy miova ny fomba fiadin’ireo mpisoloky. Misy olona mody mifandona aminao ary tampoka eo dia misy solomaso eny an-tanany latsaka ary tapaka izany rehefa mianjera  amin’ny tany. Lazainy avy eo fa iray hetsy ariary no tetibidin’ilay solomaso ka tsy maintsy soloina.

Raha tsy misy vola any aminao dia izay zavatra eny aminao no tereny omena azy toy ny finday, firavaka sy ny maro hafa. Raha zohina akaiky anefa dia solomaso efa simba io alatsany io, efa tsy misy tahony ilany ary tsy misy fitaratra ihany koa. Raha mamaly azy anefa dia efa misy namany mijanona tsy lavitra eo hiaro azy. Efa maro ireo olona tratran’io fisolokiana avo lenta io teto Antananarivo, toy ny tetsy Ambodivona, Antsahavola, Ampefiloha, Ambohijatovo, Andravoahangy Ambony tonga eny amin’ny fasan’ny karana. Efa nisy mihitsy ny lehilahy iray izay saron’ny polisy teny Andravoahangy Ambony. Ity farany izay nifamaly tamin’ny olona saika hisandohany no nandalo tampoka ny mpitandro filaminana hany ka noraisim-potsiny.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre