Oniversiten’i Fianarantsoa – May indray ny tranon’ny mpianatra
Vao tsy ela akory izay no nisy hain-trano namoizana ain’olona iray sy nahasimbana fananana tao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, ao Andrainjato, dia izao misy trano hafa may izao indray. Omaly dia tranon’ny mpianatra « préfabriqué » ao amin’ny « bâtiment P » indray no nolalaovin’ny afo nandritra ny ora iray sy sasany teo ho eo. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay nanao ny fanadihadiana tsotra dia fera-fipasohana no niteraka ny fahamaizana. Mpianatra iray fantatra fa nanadino ny nanala izany fera izany tamin’ny herinaratra ka nandoro ny lamba nipetrahany ary iny afo iny indray nahazo ny rindrina manontolo ka izao niteraka fahamaizana tanteraka izao. Trano miisa telo izy ireo no nifanakaiky saingy ilay teo am-povoany no lanin’ny afo. Samy nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ireo mpianatra sy ny manodidina mandra-pahatonga ny mpamonjy voina avy ao amin’ny sampana mpamono afo. Ireto farany moa nanao izay tsy hiparitahan’ny afo tamin’ireo trano mifanila. May avokoa noho izany ny 90 isan-jaton’ny entan’ny mpianatra tao amin’io trano nirehatra io.