Sprinter nivadika – Zaza 2 taona maty tsy tra-drano
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena fahafito omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 2ora sy fahefany tany ho any. Fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Fotoanan’ny famadihana izao ka manenjika « tour » ireo fiara mba hisongonana fiara namany amin’izay mahavita dia betsaka kokoa. Vokany, tsy nahatana ny familiana intsony ny mpamily ny fiara Sprinter mampitohy ny renivohitra sy Antsirabe ka nivadika rehefa tonga tao Ampangabe. Zazakely 2 taona no namoy ny ainy tamin’izany lozam-pifamoivoizana mahatsiravina izany ary naratra mafy kosa ny reniny. Ankoatra izy mianaka ireo dia naratra ihany koa ireo mpandeha hafa tao anatin’io fiara io.
Ny androtr’io ihany fa tamin’ny 6ora maraina dia fiara iray hafa tratran’ ny lozam-pifamoivoizana teo akaiky teo ihany. Fandehanana mafy hatrany no fantatra fa nahatonga ny loza. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy kanefa nisy ihany ny naratra.
Zatovo miisa roa kosa no naratra mafy ny marainan’ny alahady teo tetsy Antanimena rehefa nidofotra tamin’ny « ilôt » manakaiky ny paositra teo an-toerana ny fiara Peugeot 206 nentin’izy ireo. Fantatra fa mamo ireo tanora ireo ka nahatonga ny loza. Voaaron’ny « airbag » dia tsy naninona ilay mpamilin’ ny fiara fa ireo mpisakaiza tao aoriana no voa mafy. Manoloana ny tranga toy izao dia misy ihany ireo mpanararaotra ka nandritra ny fotoana nitondrana ireo naratra teny amin’ny hopitaly dia lasan’ny olon-dratsy ny poketra iray nisy vola tao anaty fiara.
Laurena Nany