Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ambilobe – Lehilahy nihetsika tromba nahafaty olona

Nandritra ny lanonana sy ny fomban-drazana Antakarana, Fisehana natao tao Ampasimanantenina, kaominina Antohimbondrona, Distrikan’Ambilobe ny alakamisy sy zoma ary ny asabotsy lasa teo no nisehoan’izany. Naresaka sy maro olona noho ny tamin’ny taon-dasa ny lanonana fangataham-pitahiana sy fanavaozana ny fifandraisana amin’ny razana ary ny fidiovana taorian’ny fandalovana tamin’ny volana ratsy. Tsy misy olana ny lanonana nataon’ireo olona misy tromba tao anatin’ny valabe, ny alakamisy. Ny zoma ihany koa dia nilamina ny Fisehana tao amin’ny ranomasina ao Ampasimanantenina, araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao. Ny alin’ny asabotsy anefa dia nivadika ho nofy ratsy ny lanonana nandritra ny alim-pandihizana. Vehivavy iray 30 taona mantsy no maty voatsatok’antsy teo amin’ny tendany rehefa nihetsika ny tromban’ny lehilahy iray tao amin’izany fandihizana izany. Nentina teny amin’ny hopitaly tao Antsohimbondrona ity farany fa tsy tana intsony ny ainy.

 

Manahy amin’ny hisian’ny valifaty

Miteraka resa-be ao amin’ny kaominina Antsohimbondrona sy ny manodidina ny namoizan’ity vehivavy ity ny ainy tao anatin’ny lanonana Fisehana. Misy ny milaza fa mety efa nisy tsy fifanarahana tany amin’ny niavian’ireo olona nanao ity lanonona ity ka nanararaotra namaly faty satria iray fiaviana ihany izy ireo. Ny hafa nahita ny fisehoan-javatra kosa mihevitra fa tao anatin’ny tsy nahy noho ny fihetsehana tromba no nahatonga ny herisetra. Manoloana izany dia tsy nanokatra famotorana na nisambotra ny nahavanon-doza ny zandary any an-toerana. Manahy mafy ny mety hisian’ny valifaty noho izany ireo mponina aorian’ny fandevenana ny razana.

 

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre